• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 20, 2025

🚪 Manoloana varavarana mikatona?

Andro namoahana Mey 20, 2025

Rehefa manoloana varavarana mikatona ianao nefa mba nanantena fa nizotra ny lala-marina dia tena mahatsapa hoe very tanteraka, sa tsy izany?

“Nahoana no dia navelan’Andriamanitra hitranga izao? Nahoana no dia nentiny amin'izao toerana izao aho dia nefa izao lasa mihitsoka?”

Ah, izany no fanontaniana napetrako tamin'ny tenako rehefa avy nitety an'izao tontolo izao mba hiresaka tamin'ireo mpianatra Tanora misionera. Nomeko fampianarana avy tamin'ny fo izy ireo, miampy ireo fahamarinana tena ilaina - eny, ranomaso maro no latsaka, nisy fiantraikany izany, kanefa, nanantena zavatra bebe kokoa aho…

Naka toerana nipetraka teo amoron-dranomasina aho ny folak'andro manontolo - eny, tahaka ny mahafinaritra, izaho rahateo tany Hawaii - fa nitomany aho… reraka, vizana ary diso fanantenana. Nahoana no toa nikatona tamiko ny varavaran'ny fon’ireo mpianatra?

Sa endrika ivelany ihany angamba izany?

Nony maraina, nisy namako nandefa hafatra ahy tamin'ny WhatsApp : “Aza miezaka “manao” amin'ny herin'ny tenanao” – “Fa avelao fotsiny amin'izao“. Mazava ho azy, nataoko ho misy idiran’Andriamanitra tanteraka ny asako ary nangataka Taminy aho mba hitarika izay teniko rehetra. Ianao koa ve mety sendran’ny zava-mitranga toy izany, manoloana varavarana mikatona?

Amin'izay fotoana izay dia afaka mifaly fotsiny ianao rehefa mamotsitra - ary mamela an’Andriamanitra hiasa!

Eo no tena ilana fahatokiana, rehefa mahafantatra hoe araka ny sitrapony ihany no hisokafan’ny varavarana, sy amin'ny fotoana hanendreny izany… dia hahafinaritra tokoa izany!

“ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko,” (Filipiana 3:8)

“eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty,” (Filipiana 3:10a)

Raha manoloana varavarana mikatona ianao dia misy fanontaniana tiako apetraka aminao?

  • Mbola mifantoka ny amin'izay zavatra nataon’Andriamanitra anao ve ianao? Sa aleonao mifantoka ny amin'izay zavatra tianao atao?

  • Matoky Azy ve ianao, na dia tsy manokatra ny varavarana aza Izy – na mbola hanokatra izany fa any aoriana?

Mba fantatrao moa? Any aoriana any dia ho tsapanao izany (Jaona 13:7) - fa amin'izao aloha dia apetraho Aminy amim-pahatokiana ny fahakivianao, na dia tsy takatrao aza!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.