Manohitra anao ve Andriamanitra ?
Tsy lasa ity, mitokona indray ny lamasinina!
Ny omaly, rehefa nikasa hamandrika ny tapakilako aho, dia nahare fa tsy hisy lamasinina hiainga amin’ny lalana tokony halehako! Izaho anefa efa nametrapetraka tsara ny fandaharam-potoanako ny amin’ny ny tontolo andro, ho amin’ny tombontsoako, mazava ho azy:
"Handany adiny roa anaty lamasinina aho fa tsy anaty fiara, izany hoe mahazo tombony eo amin’ny adiny efatra fanampiny eo aho, izay hahafahako mamarana ilay bokiko fahavalo."
Eny, satria efa nihoatra ny fe-potoana napetraka aho, ary nikasa ny hanenjika izany anaty lamasinina ... raha toa ka tsy nisompatra ahy ity farany!
Tamin’ny voalohany dia tena tezitra tamin’ ilay lamasinina ny tenako. Iza no mbola tsy niaina an’ izany, haha! Avy eo dia nanomboka nieritreritra aho hoe: "Sao dia mba Andriamanitra no nanohitra ny drafitra nataoko?"
Raha ny marina, tonga saina tampoka aho hoe tato ho ato dia tsy nanao na inona na inona afa-tsy ny nanoratra ny lahatsoratro aho, ary tsy nanome Azy firy ny fotoanako. Marina hoe nanoratra ny Teniny aho, niasa ho Azy aho, saingy tsy nanokana fotoana hiraisana fo Aminy sy hihainoana Azy aho.
Noho izany, nanapa-kevitra ny hanohitra ny fisalasalako aho izay nilaza tamiko hoe: "Ahoana izany no hataoko?" Fantatrao ve izay nitranga taorian’izay?
Tena feno ny fanatrehan'Andriamanitra aho ka nanohy nanoratra ny bokiko haingana kokoa. Satria namelombelona ahy Andriamanitra, ary afaka nanoratra ny Teniny indray aho—fa tsy ny teniko!
Indraindray Andriamanitra dia tsy maintsy manakana anao, mampahatsiahy anao fa tsy maintsy miantehitra amin'ny fahaizany ianao fa tsy ny fahaizanao!
"Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao." ( Ohabolana 3:5 ).
Inona no tanjonao anio izay tokony hanapahanao hevitra hanaiky hotarihiny eo amin’ny Fanatrehany?