• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Sep 13, 2026

MANOATRA NOHO NY MPANDRESY

Andro namoahana Sep 13, 2026

Nisy namana nizara momba ireo mpanjaka 31 ao amin’i Josoa 12. Manasa anao aho hamaky izany sy tsy ho leo fa misy zavatra tian’Andriamanitra zaraina aminao. 

Mety efa voavakinao io toko io dia najanonao satria tsy dia ilaina loatra ny mandany andro mamaky ireo anarana maro be ireo. Izaho koa toy izany fa tsy ianao irery 🤭🫣 

Fa nefa dia nizara an’io ilay namako ary tena nahatalanjona ahy ny fiasan’ny Fanahy Masina. Mpanjaka 31….tahaka ny isan’ny andro anatin’ny iray volana eo. Dia amin’ny anarana iray dia misy fandresena. Dia hoy ny Fanahy Masina hoe isan’andro koa dia efa misy fandresena voaomana ho anao. Aleloia!! Ary tsy olona tsotsotra ireo fa mpanjaka - niaraka amin’ny mpanaraka azy- kanefa dia resy!!! Koa isan’andro dia na ahoana na ahoana anaran’ny olana, na tahaka ny ahoana ny habeany dia izao : mpandresy ianao!!!! Yeeeeeeeaaaaahhh 🥳

Tiako ity andininy ity “ Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika.” (Romana 8:37)

Haiko hoe tsy mora ny nandavo ireo mpanjaka ireo satria nety nisy tahotra teo fa nefa dia nandroso izy ireo ary vonona teo ny fandresena. 

Aza mikatso noho ny tsy finoana. Miandry anao ny fandresenao. Tsarovy ange Davida niatrika an’i Goliata eee…. Tsy hoe naka vatokely izy sady lasa nihemotra nitsoaka fa nandroso izy ary nandresy. Isan’andro dia misy zavatra mety atrehina fa aza mitsoaka, aza matahotra…. atreho am-pinoana fa efa voaomana ny fandresena amin’ny alalan’ilay tia anao. 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny