• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 18, 2025

🧸 Mankanesa eo amin’ny Fanatrehany amin-pahatokiana!

Andro namoahana Feb 18, 2025

Nanomboka teo amin’ny fahatelo taonany ny zanako vavy dia nanana fahazarana miditra tampoka ao amin’ny biraoko mba hijery kely ahy sy hizara amiko ny zavatra hataony izy. 

Indraindray izy dia manararoatra kely mampiseho ahy ny sary vao vitany, na ny takopery apetany eo amin’ny sarobakoliny maratra, sy hitantara amiko ny zavatra niseho…. Indraindray dia tonga mamihina ahy fotsiny izy, ary miteny kely hoe: “Dadaaaa….!” Mamy kely ery izy! 🥰

Tsy mila nisaina indroa izany fihetsiny izany izy! Tsy nahatsiaro nanelingelina, ary tsy nihafahafa sy menamenatra izy. Tsy tao an-tsainy akory izay mety ho fihetsiko…. Tonga fotsiny izy tamim-pahasahiana mba hizara fotoana fohy miaraka amin’ny dadany, satria fantany fa tiana izy , ary tsy misy tokony hatahorany. 

Rehefa mieritreritra ny hanatona eo amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra ianao dia mety mahatsiaro tena ho tsy mendrika indraindray, na tsy manana fahatokisana na koa hoe tsy sahy tsotr’izao…. Satria heverinao fa mety hanelingelina Azy ianao , na koa hoe tezitra Aminao Izy noho ny fahadisoana nataonao , na mahatsiaro tena tsy mendrika Azy fotsiny ianao…

Saingy anio, tahaka ny nataon’ny zanako vavy, dia te hamporisika anao aho hanatona an’Andriamanitra amim-pahatokiana, amin’ny maha-anao anao, mba hanokana fotoana hiarahana amin’Ilay Rainao any an-danitra.

Manasa antsika amin’izany ny Baiboly manao hoe: “ “Koa amin'izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy, … dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio.” (Hebreo 10:19-22)

Ry namako, miandry anao ny Ray anio! Manatòna Azy miaraka amin’ny sary nataonao, ny ratranao, ny fonao ary miomàna hahazo fihina mamy avy Aminy izay hitondra fahasitranana ho an’ny fiainanao.

Tsy manelingelina Azy ianao: mifanohitra amin’izay aza, faly Izy miaraka aminao. Zanany Sarobidy ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.