• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Aog 29, 2026

Manjaka eo amin’ny tontolonao koa ve ny vola?

Andro namoahana Aog 29, 2026

“Ohatrinona no vola miditra aminao?”

Tsy haiko raha mahatsikaritra an’izao koa ianao, fa rehefa mijery ny tambajotra sosialy aho, dia toa izany no fanontaniana tena mipetraka matetika. Tahaka ny hoe izany no zava-dehibe indrindra amin’izao tontolo izao. Tsy mba izao no anontaniana, hoe : “Tao anatin’ny hafiriana ianao no faly nandritra ity taona ity?” fa hoe : “Ohatrinona no vola niditra taminao tamin’ity taona ity?”

Na dia mety tsy ho mpijery ny tambajotra sosialy aza ianao, tokony mba efa nahare ity teny ity hoe : “Ny vola no manjaka eo amin’izao tontolo izao.”

Manontany tena aho hoe nahoana no betsaka ny olona mino izany fehezanteny izany ary tsy misy fisalasalana. Mety mino izany koa ve isika? “Rehefa mahazo vola misimisy aho vao ho faly”.

Nanana fahafahana hifandray tsara amin’izao tontolo izao ny tenako tamin’ny nanarahako ireo fampisehoan’ireo olo-malaza tahaka an’i Beyoncé na Justin Timberlake, taona vitsivitsy lasa izay. Minoa ahy, olona marobe no mankalaza azy ireo, fa tsy midika akory hoe faly izy ireo.Teo ny tenako rehefa tapa-tsinay ireo mpitantana tao ambadiky ny sehatra, nahita an’i Britney Spears nivarilavo ka nanaratra ny lohany : “Ha, ha! Vao mainka hitombo ny vola hiditra amintsika”...

Manjaka eto amin’izao tontolo izao ny vola, fa tsy amin’ny lanitra!

Ny fitiavana no manjaka any an-danitra. “Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.” (I Jaona 4:16). Azo inoana fa tokony hanjaka eto amin’izao tontolo izay fitiavana avy an-danitra izay - fa tsy ny vola!

Satria ny fahamarinana izay hitantsika ao amin’ny Isaia 45: “Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa, Dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.“ (Isaia 45:6-7)

Tsarovy fa ny Andriamanitrao no manapaka hevitra raha maloka ny andronao na tsia, fa tsy ny volanao any amin’ny banky. Ka ity ny fanontaniako : Inona no tombontsoa hanenjehana ny harena raha ilay Andriamanitra Tsitoha, Izy Tenany, dia mihazakazaka hihaona aminao?

Ao Aminy avokoa izay rehetra ilainao, fa tsy ao amin’ny fitoeram-bolanao. Tsapanao ve izany?

Aza manenjika harena intsony, satria an’Andriamanitra Tsitoha ny zavatra rehetra!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.