đ Maniry hanome fifaliana ho anao Andriamanitra anio

Tsy maniry ve ianao hitoetra anaty fifaliana izay azo tsapain-tanana eny na anaty fotoana mety manahirana aza?
âFa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.â (Salamo 18:28). Tena feno harena ao anatinâio fehezan-teny iray io! Voalohany dia tsy midika hoe ianao no mamorona ny fifalianao aminâny fomba rehetra! Andriamanitra no manetsika izany ao anatinao!
Mety mieritreritra ianao izao hoe :â Tena miha-mananosarotraâŠâ. Nefa dia tena ny mifanohitra aminâizay: ny fifaliana no vokatry ny fo maniry hampifaly anâAndriamanitra!
Tohinâny niainako dia afaka manamafy aho fa nandritry ny taona maro dia niezaka nanome lafiny mihoatra ny natoraly ho an'ny fifaliana voajanahary nomen'Andriamanitra ahy aho, satria hitako fa tia ahy noho izany ny olona. Anefa dia nitaky ezaka be izany!
Ka taminâny fotoana aho nisafidy ny hampitsahatra hampifaly ny olona fa kosa hampifaly anâAndriamanitra dia nandeha ho azy izany! Nitombo be ny fifaliako ary nivadika ho fifaliana lalina sy tena izy - ary ny vokatra dia namirapiratra koa aho!
âKoa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan'ny tanako teo imasony.â (Salamo 18:24)
Tsy miteny aho hoe tonga lafatra isika na hoe âtsy misy fahotanaâ. Fa ny fanontaniana dia hoe : â Te hampifaly anâAndriamanitra ve ianao?â Nanoratra toy izao i Davida : âNy lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra.â (Salamo 119:14)
Maniry hanome anao io fifalianâny fo io Andriamanitra, izay hita taratra aminâny tarehinao ka ahakasika ny manodidina anao! Eny, maniry hampamiratra ny fiainanao Izy satria Izy ilay fahazavanâny alina. Izay novakiantsika ao aminâilay andininy fanokafana.
Tena zava-misy ny fifaliana rehefa miaina ao aminâny fahamarinana ianao!
Vonona ve ianao hamela Azy hamiratra ao aminâny aizina sy hamafa ireo singa maizina izay mety hanaloka ny fahiratanao!
Anjara voatendry ho anao ny fifaliana!
Fahagagana ianao!

