• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 22, 2025

πŸ”„ Maniry fiovana ve ianao ?

Andro namoahana Mar 22, 2025

Vao aingana aho no nandao toerana tena sarobidy tamiko, sehatra iray tena nanan-danja teo amin’ny fiainako. Tsy hoe satria tsy tiako intsony, fa satria niteny mazava tsara Andriamanitra. Ary tena nazava.

Ary tahaka ny fanaony matetika moa dia niandry ny fihetsiko Izy. Tiako ho fantatra hoe manao ahoana ary ny any an-danitra amin’ireny fotoana ireny, haha !

Alaiko an-tsaina hoe ireo ny anjely manaraka akaiky ny fiainanao sady miresaka hoe :- “Ahoana re izao no fanapahan-keviny e? Hanao ahoana ny valiny ? Mino aho fa hanaiky izy !”- “Raha sahy mandray fanapahan-kevitra izy, dia afaka miroso amin’ny fahagagana manaraka isika !”

Angamba ianao mbola misalasala hoe hisokatra amin’ny zavatra tsara ve ny fialanao amin’izao ? Fa azonao atao ny manapa-kevitra anio ny hahatoky !

πŸ‘‰ Raha angatahin’Andriamanitra ianao hamotsotra zavatra iray, dia satria tiany halalaka ny tananao handraisanao zavatra vaovao !

Eny e, maro ny fisalasalana. Angamba amin’ny fijerin’ny olona dia hevi-diso tanteraka ilay fanapahan-kevitrao. Tahaka ny ahy ihany tamin’izany, tsy nisy antony tokony hialako amin’ilay toerana tonga lafatra ho ahy.

Izany no mampahatsiaro ahy ny tantaran’i Simona Petera, izay nangatahin’i Jesosy hanipy ny haratony indray. Tsy nitombona koa anie iny e ! Niezaka nandritra ny alina manontolo izy, nefa tsy nahazo na inona na inona.

Fa hoy ihany izy  : “kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato.” (Lioka 5.5)

Averiko indray : Raha angatahin’Andriamanitra ianao hamotsotra zavatra, dia satria tiany ho afaka ny tananao, mba handray zavatra vaovao !

Ary tena afaka manamarina izany aho ! Tamin’ny fotoana namotsorako ilay toerana, dia nisy hevitra mahavariana avy any tan-danitra nitsiry, hevitra izay tsy ho vitako mihitsy ny hamorona azy irery !

πŸ’‘ Resy lahatra tanteraka aho fa ho fitahiana lehibe ho an’ny maro izany !

Ny vavaka ataoko ho anao anio dia izao : Rehefa mamotsotra tanteraka amin’ny fonao ianao, dia haneho zava-baovao sy tsy nampoizina ho anao Andriamanitra !Fahagagana ianao!

Eric CΓ©lΓ©rier
Mpanoratra

Eric CΓ©lΓ©rier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.