đ Manirery ve ny manirery?

Taminâny andronâi Jesosy, nisy lehilahy iray antsoina hoe Simeona. Tsy olona mafy loha izy. Fa tena mifanohitra aminâizany aza ! Izao no voasoratra momba azy : â(...) ary ny Fanahy Masina dia tao aminy. Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo.â (Lioka 2.25-26)
Vakiantsika kimaimaika fotsiny ny karazana andinin-tsoratra masina toy io satria fantatsika fa tonga teto an-tany tokoa Jesosy.. Fa ahoana kosa ny momba anâi Simeona ? Tsy nisy porofo mihitsy taminâizany fa hitranga tokoa izany! Tsy nanana afa-tsy ny fahaizana nino ny faminaniana izy, izay efa voalaza an-jatony taona lasa izay ! (Jereo Isaia 7.14)
Fa indray andro, Simeona dia nanao hoe : âRaha tiako hiainana ny fahagagako, dia tsy maintsy miala aminâity toerana ity aho !â Afaka nilaza koa izy hoe : âRehefa irery dia manirery moa. Tsy hisy zavatra hitranga mihitsy eto.â Nefa nisafidy ny hitsangana izy ! Izao no voasoratra hoe : âAry nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalĂ na ny amin'ny zaza, dia nitrotro Azy izyâ (Lioka 2.27)
Iza no mitarika anao? Ilay hevitra raiki-tapisaka hoe : "Rehefa manirery dia manirery, izay izany"? Sa manaraka ny feonâAndriamanitra, aminâny alalanâny Fanahy Masina ianao ka mino ianao, na dia mbola tsy mahita aza ? Vonona hitsangana ve ianao, mba hahita ?
Raha mino mialohan'ny fahitĂ na ianao dia hihazona ny teny fikasany Andriamanitra amin'ny famelana anao handre ny FeonyFahagagana ianao !

