• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Okt 10, 2025

🥤 Mangetaheta fitiavana ve ianao?

Andro namoahana Okt 10, 2025

"Resantsika ihany, tsy miteraka olana ho anao ve ny fandehanana matetika nefa tsy manambady?" Matetika misy mametraka io fanotaniana eny anelanelan’ny resaka eny, ary manontany tena foana aho hoe nahoana moa niova be tao anatin'izay taona maro izay.

Fitiavana foana no notadiaviko. Nanomboka tamin’ny faha-11 taonako dia naniry mafy ny hanana olon-tiana aho. Ny fihazonana ny tanany ohatra, dia tena zava-dehibe tamiko, ary tadidiko fa na dia efa lehibe aza dia "nanelingelina" ny olon-tiako izany.

Izaho dia karazana olona tia mitakosona. Dia ahoana ary, am-pahatsorana - mahatsiaro tena ho miadana aho na dia tokan-tena aza?

Tsy fantatro izay tsapanao amin'izao fotoana izao.

Fantatro fa mety mahatsiaro tena ho manirery ianao amin'ny maha-tokan-tenaanao, na koa na dia miaraka amin’olona aza. Ary izany no antony tiako hisarihana ny sainao anio ho amin'izay mitondra ahy amin’ny fahafaham-po tanteraka. Mety hanova ny fomba fisainanao izany!

Izao no vasoratra ao amin’ny Epistily ho an’ny Romana: “satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra”. (Romana 5:5) .

Voalohany, tokony ho takatrao fa MIALOHA ny fitiavan’olombelona dia mila ny fitiavan’Andriamanitra ianao. Satria ny fonao maniry mafy io fitiavana io, izay tsy azo tsapain-tanana.

“Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romana 8:38-39)

Ary amin’ny andro hiainanao izany fahatokiana izany, dia ho hitanao fa ny fonao koa dia hanomboka hahatakatra izao hevitra manaraka izao: “... Andriamanitra efa nandatsaka ny fitiavany ho ao am-pontsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, Izay nomeny antsika”.

Ny Fanahy Masina irery ihany no afaka mameno ny fonao amin’ny fitiavana mahery vaika ka tsy mampahory anao intsony izany faniriana fitiavan’olombelona izany. Mety hitoetra foana ny faniriana ny fitiavan’olombelona, ​​fa tsy maintsy levona ny alahelo sy ny famoizam-po!

Asao ny Fanahy Masina hameno anao amin’ny fitiavany anio! Dia ho afaka amin’ny alahelo ny fonao.

Satria tsy irery ianao. Tena tiana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.