• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 13, 2026

Mangatsiaka ve ao an-tranonao?

Andro namoahana Jan 13, 2026

Rehefa tapitra ny tontolo andro iray nangatsiaka, dia tsy misy tsara tahaka ny mody ka miditra ao an-trano mafana tsara. Vao haingana aho no natory indray alina tao anaty hotely iray. Rehefa nosokafako ny varavaran’ny efitrano fatoriana, dia nahatsiaro hatsiaka aho - na dia nisy fanafanana aza. Nafana tokoa ilay efitrano, fa ny efitra fandroana nifanila taminy kosa tsia… satria nisokatra foana ilay varavarankely.

Na tahaka ny ahoana aza ny fiomanantsika rehefa ririnina, na dia arehitra aza ny fatana, raha vao misy varavarankely iray misokatra, dia tafiditra foana ihany ny hatsiaka.

Ah, tahaka izany mihitsy koa ny fiainam-pinoantsika. Varavarankelin’ny fiahiahiana, fahotana, tsy fahatokiana… Mety tsy ianao no nanokatra azy, saingy tsy ianao koa nefa no nanidy azy. Kanefa, ho voasakany daholo ilay fitiavana sy hafanan’Andriamanitra izay nomaniny ho anao, ka hanafana anao tanteraka.

Aza atao hatsirambina ny fiantraikan’ny varavarana iray tsy voahidinao. Misokatra izany. Varavarana izay hidiran’ny hatsiaka ara-panahy izay mety hiditra ka hangalatra ny fiadananao sy ny hafalianao.

Handeha horaisintsika ho zava-dehibe izao fampitandremana izao : toe-javatra manao ahoana no hamelanao (sy hamelako koa) ny fahotana na ny fiahiahiana hiditra eo amin’ny fiainantsika? Fotoana tahaka ny ahoana no tokony handavantsika izany tanteraka?

Nampitandrina antsika i Paoly hoe : “... iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina? Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin'ilay miantso anareo. Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra.” (Galatiana 5:7-9)

Masirasira kely, varavarankely iray misokatra… Ah… Aoka hihazona ny hafanan’Andriamanitra hatrany ny fontsika, ary aoka hikatona avokoa ireo varavarankelin’ny fitaoman-dratsy.

Zava-dehibe izany, satria manan-danja IANAO!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.