Mangìna...
"Mangìna eo anatrehany "
Angamba io no zavatra voalohany tokony ho renao anio. "Mangìna eo anatrehany."
Rehefa nanontany an’Andriamanitra aho hoe inona no tiany hambara aminao ato anatin’ny andro vitsivitsy, dia voasariky ny masoko ity andininy fohy ity, nefa tena manan-danja:
"Mangina eo anatrehany, ry tany rehetra!" (Habakoka 2.20)
Raha jerena kely ireo andininy mialoha an’io, dia toa tsy mifanaraka amin’ny resaka hafa mihitsy izy io. Satria Habakoka dia mitaraina noho ny tsy rariny eto amin’izao tontolo izao sy noho ny olona tsy te hifandray amin’Andriamanitra intsony… Mitaraina koa izy noho ny fahanginan’Andriamanitra...
Ary eo afovoan’ny olana eo amin’ny fiainany sy ny fahanginan’Andriamanitra, dia mandidy ny olona izy hoe:"Mangìna!" Tena fahanginana tanteraka izany! Rehefa mikorontana ny fiainana ary toa mangina koa Andriamanitra, dia te hiantso mafy hoe: "Aiza Ianao eee?"
Fantatrao ve ny dikan’ny hoe "mangina"?
Eny, azo antoka fa fantatrao: tsy misy tabataba! Tsotra izany… Ka tsy tokony hisy feo re (!)
...izany hoe tsy tokony ho re intsony ireo antso feno tahotra hoe: "Aiza Ianao eee?"
Tsy mihetsika… Tsy mihetsika… Vitanao ve izany?
Inona izao no vavaka entinao eo anatrehan’Andriamanitra? Manantena aho fa efa nataonao vavaka ilay olanao, fa tsy hoe miezaka mamaha azy irery ianao nefa tsy mitodika amin’Andriamanitra.
Satria eo indrindra no tian’Andriamanitra hitondrana anao anio. Ho eo Aminy! Any no hahitanao ny vahaolana amin’ny olanao, any no hiovan’ny alahelonao ho fifaliana vaovao, ary any koa no hisokafan’ny varavarana tsy nampoizina ho an’ilay toe-javatra toa tsy misy vahaolana.
Ary amin’ izany rehetra izany, tsy mila mandeha na aiza na aiza ianao... eny! Raha mijanona ianao ka mangina, Izy no hiasa ho anao!
Anio dia mangìna fotsiny eo anatrehan’Andriamanitra, Izy no hiasa ho anao!
Fahagagana ianao!