• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Sep 14, 2026

MANENDY ATODY SA…..🍳

Andro namoahana Sep 14, 2026

Sarotra ny mifantoka amin’izao satria maro ny zavatra manelingelina amin'izao fotoana izao. Nieritreritra hamita lahatsoratra telo na efatra aho fa rehefa nanokatra ny solosaina aho dia variana tamin’ny zavatra hafa indray. Iza koa no efa tratra an’izany? ☝️🙂 Mety mitranga amin’ny sehatra maro izany toy ny ao an-trano, dia nieritreritra hanao sakafo hariva tsara be ianao ho an’ny ankohonanao kanjo variana teo dia nifarana tamin’ny atody nendasina indray…(Tia atody aho ann 😄)

Fanelingelenana. Loha-laharana ny tambanjotra sosialy. Manana fialan-tsiny maro isika fa handeha ho tsorina ny marina, mandany andro eo isika. Eo ny ambahindahin’ny asako fa ie, feno zavatra manelingelina eo koa. Ary eo no mila mifantoka. Aza adino fa hoy ny 1 Petera 5:8 hoe: “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany”

Anisan’ny mampihomehy indraindray dia rehefa misafidy ny hifady hanina iny ianao ohatra no avy avy any misy namana manasa anao hiara-hisakafo. Hifantoka amin’ny asain’Andriamanitra ataonao ve ianao? Sa inona ny fanapahan-kevitrao mandre ny fofon’ilay mofo vao vita? 🥖😄

Ny fifantohana dia tena manan-danja amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Mahita vokatra isika, fandrosoana ary valim-bavaka. Aza variana. Mifantoha amin’ny tenin’Andriamanitra manoloana izay atrehinao satria hoy Izy “Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.” (1 Korintianina 15:58)

Koa anio mifantoha amin’ny zavatra asain’Andriamanitra tanterahinao, aza manaiky ho voahozongozona. Efa io aloha io ny fahagaganao. Mifantoha. Mangataha ny Fanahy Masina, Ilay mpampianatra tsara indrindra, hitari-dalana sy hanampy anao. 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny