• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 5, 2026

Manelingelina ny planinao ve Andriamanitra?

Andro namoahana Jol 5, 2026

“Tsy izay no noeritreretina”...

Izay no tao an-dohako rehefa nentin’ny GPS tampoka tamin’ny lalana hafa tsy falehako rehefa mody aho.

Manana fahafahana mandia 140 kilometatra izay mampisaraka ahy amin’ny ray aman-dreniko, mandalo an’i Soisa, afahako mankafy ity kafe matsiro izay tsy mba hitako ao Alemaina!

Kanefa tamin’io andro io, ilay GPS izay fampiasako dia nanoro ahy tampoka lalan-kafa. Diso fanantenana aho sady nieritreritra hoe : “Te hisotro ilay kafe anie aho…”! Izay lalana izay dia nampahita ahy zavatra tsy mbola fahitako mihitsy, ary dia talanjona tokoa aho : “Mahafinaritra be ety izany!”

Nisy namako tsy salama iray koa nangataka ahy mba hitondra zavatra manokana ho azy, zavatra sarotra hita… Dia indro ilay fivarotana notadiaviko, teo anoloako mihitsy! Mahavariana! Raha ny amiko, efa ela aho no te hividy haingon-trano tsara tarehy ho an'ny tranoko, koa inona no hitako? Fivarotana roa misy safidy mahafinaritra!

Mety ho “tsy misy dikany” izany raha tamin’io fotoana io, fa amiko manokana dia tena nisy antony lehibe tokoa. Indraindray dia mitondra anao amin’ny toeran-kafa Andriamanitra mba hampiseho anao fa misy koa “zavatra hafa”!

Raha niteny tamiko mazava Izy hoe : “Mandalova ao Alemaina anio”, mino aho fa namaly hoe : “Ka izao no tiako atao, hividy ilay kafe ao Soisa”. Dia ho namaly Andriamanitra hoe : “Indrisy, nisy zavatra mahafinaritra be dia be nomaniko ho anao tamin’ilay lalana iray…”!

“Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany. “ (Ohabolana 16:9)

Anivon’ity herinandro ity, vonona ny hamela an’Andriamanitra hitarika ny dianao ve ianao? Vonona ny hitoky tanteraka Aminy, na dia toa mifanohitra tanteraka amin’ilay lalana saika hodiavinao aza no hatorony anao?

Aza adino fa ilay “…Andriamanitra izay mahita“ (Genesisy 16:13) dia Andriamanitra mitady lalandava izay hahasoa anao - anio dia anio!

Hitahy anao anie Andriamanitra!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.