Mandrosoa amin’ny finoana.

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Mandrosoa amin’ny finoana.

Omaly aho niresaka taminao ny lanjan’ny fiatoana kely hihainoana ny Fanahy Masina. Fa raha vantany vao rehanao ny feony dia tsy maintsy mandeha amin’ny finoana ianao. Manasa anao aho anio hamaky an’ity lahatsoratra ity (nalaiko tao amin’ny boky nosoratako…)

Roapolo taona lasa izay, niantso ahy sy ny vadiko tamin’ny fomba mahagaga Andriamanitra, hanangana fiangonana tany Givors. Nanova ny fiainako sy ny fiainan’ny olona an-tapitrisa izany. Satria tao no nahaterahan’ny Top Chrétien. Fa tena nitaky finoana be taminay anefa izany mba hahafahan’Andriamanitra nametraka ny zavatra rehetra efa nomaniny.

Fantatray tsara ny zavatra niandry anay raha nanapa-kevitra ny honina ao Givors izahay : tsy misy trano, tsy misy fiangonana, mety tsy misy karama nefa mbola kely ny zanakay anankiroa, ary ambonin’izany rehetra izany, tanàna tena nalaza tsy tia kristianina ilay tanàna, tamin’izany fotoana izany (efa niova izany ankehitriny).

Indray andro, raha nandehandeha teny an-dàlana aho, nivavaka mba hanomezan’Andriamanitra ahy fahafahana hanokatra ny fiangonana, sy hanomezany anay trano hipetrahana dia indro nifanena tamina kristianina iray aho, ary rehefa nihaino momba ny zavatra nokasaiko rehetra izy dia namaly hoe : “ Ry rahalahiko, tsy te hanakivy anao aho, fa raha azoko tsara ny tianao lazaina, tsy manana trano ianareo, tsy manana fiara, tsy manana toerana hivavahana, tsy manam-bola, tsy manana mpivavaka, ary na ny ben’ny tanàna aza manenjika ny mpivavaka aram-pilazantsara. Koa inona no ataonareo aty ?”

Tsy nanampo hahazo teny fahakiviana dieny am-boalohany aho. Izao no navaliko an’ilay lehilahy: “Ny finoana no hany ananako!” Andro vitsivitsy taty aoriana dia nisy kristianina iray nanome anay fiara. Nahita trano koa izahay ary ilay lehilahy hitako teny an-dalàna no anisany nanampy anay tamin’ny fikarakarana izany! Taty aoriana, noho ny amin’ny fifandraisana mahagaga dia nahazo alalana tamin’ny ben’ny tanàna mihitsy aza aho hanao ny lanonam-panokafana ny fananganana ilay fiangonana vaovao tao amin’ny lapan’ny tanàna.

Efa nasain’Andriamanitra nanao zavatra toa tsy mitombina ve ianao? Efa nahatsapa antso mahery vaika hankato Azy ve ianao, tahaka an’ i Abrahama nandao ny zavatra rehetra mba hanompo an’Andriamanitra ?

Manomboha àry manao dingana amin’ny finoana! Satria : “Finoana no naneken’i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.” Hebreo 11.8

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!