• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 29, 2025

🔦 Mandresy ny aizinao ny Fahazavany !

Andro namoahana Apr 29, 2025

Omaly dia nahazo aina kely isika  nandinika ny toetra maha-Mpamorona an’i Jesosy, Ilay Tenin’Andriamanitra. Tena mahatalanjona ery ny mieritreritra hoe Izy no namorona antsika ary fifaliana ho Azy isika !Handroso amin’ity andininy mahafinaritra ity indray isika anio, izay milaza hoe : “Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy” (Jaona 1:4-5).Izy no Fahazavana. Tsy mahagaga izany satria hoy ny Soratra Masina hoe : “Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.” (1Jaona 1:5). Ny fiainana sy ny fahazavana dia nitambatra tao amin’ olona tokana : dia i Jesosy, Ilay tonga hamonjy izay very.Saintsaino ity : tamin’ny voalohany dia lavorary ny zavaboaary ary nahafinaritra ho an’ny rehetra. Saingy rehefa nahita varavarana nidirana ny fahavalo, rehefa nanota i Adama sy i Eva, dia niditra koa ny haizina sy ny fahafatesana, ka nanomboka niova ny zava-drehetra.Naka toerana izay tsy azy ny fahavalo : “andrianan'izao tontolo izao” (Jaona 14:30), ka nanomboka nampiditra fahafatesana sy korontana teo amin’ny fanjakany.Tsy maintsy nisy Mpanjaka hafa tonga, Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo, mba hanarina ny zava-drehetra. Izany no antony nahatongavan’i Jesosy : hitondra fahazavana sy fiainan’ny Fanjakan’ny lanitra, ary hanampy antsika ho afaka amin’ny fanandevozana sy ny fahafatesan’ny aizina.Eny, ry namako, mandresy ny aizina rehetra ao aminao ny Fahazavany. Manana fiainana vaovao ianao ao amin’I Jesosy : ny asan’ny fahavalo sy ny laingany dia very hery eo anatrehan’ny Fahazavany mitoetra ao aminao. Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.