Mandrakizay ny famindram-pony
Mba nahafinaritra ahy ilay hiran’i Henika hoe “Androany aloha aho hidera”. Mampientanentana ery ary tena marina hoe anio aho hidera fa ny ampitso hanahy ny azy… Anio ary, inona no tena mampiasa saina anao io izao? Dia inona ny safidinao hoe hitomany eo sa hikaroka vahaolana any amin’ny manodidina anao, sa hidera?... Mety hamaly ianao hoe hidera ahoana ary fa ilay tompon-trosa aza efa miandry ao??? Efa faran’ny volana indray io dia efa hitaky hofan-trano eo izao ny tompon-trano… Inona no hiderako eo fa izaho aza marary tsy afa-mihetsika akory? Dia hoy aho hoe, ilay fotoana nitanisantsika ireo ve nanova zavatra?... “Kanefa masina Hianao, Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely.” (Salamo 22:3)
Rehefa Andriamanitra no maka fotoana hitoetra ambonin’ny fideranao, izany hoe maka toerana Izy mihaino ny hira na teny asandratrao dia azo antoka fa tsy tokony hisy hampanahy anao mihitsy. Efa raisiny an-tanana ny momba anao. Ao amin’ny Salamo dia feno toko sy andininy momba ny Fiderana afaka raisinao ohatra dia saintsaininao, ataovy mipaka tsara anatinao fa ahatsiaro ho maivana sy feno fiadanana ianao ary tsy ho tsaroanao akory ny fotoana nialan’ireo vesatra sy olana nolalovanao.
Ho faranantsika amin’ny Fiderana Azy ity volana ity koa manasa anao aho hamaky ireto andininy ireto izay inoako fa mirakitra ny valim-bavakao koa.
« Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra. Manompoa an'i Jehovah amin'ny fifaliana; mankanesa eo anatrehany amin'ny fihobiana. » (Salamo 100:1-2)
« Fa tsara Jehovah; mandrakizay ny famindram-pony, ary mihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany. » (Salamo 100:5)
« Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra…» (Salamo 145:3)
Tahiana manokana ianao.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕