Mandraisa karne sy pensilihazo ! ✏️

Anisan'ny fanalahidy lehibe indrindra hitako mba hihainoako tsara kokoa an’Andriamanitra ka handalinako izay rehetra voaraiko dia ny mitazona diarim-bavaka.
Ny diarim-bavaka dia kahie izay hanoratanao isan'andro ny zavatra niainanao niaraka tamin'ny Tompo, sy ny fanontanianao, ny fisaintsainanao, ny fijoroana ho vavolombelona anananao, ny vavakao, ny nofinofinao, sns. Tena ilaina izany satria rehefa manao izany dia:
-
Tadidinao ny nambarany taminao tamin’io fotoana io, satria hitanao amin’izay voasoratrao izany.
-
Manambara izay ao am-ponao ianao.
-
Ny fanoratanao izay traikefa anananao fotsiny dia efa manampy anao handalina sy hahita zava-baovao tsy mbola fahitanao hatramin’izay.
-
Misaina ny amin’izay tian’ny Tompo ambara aminao ianao, sy ireo lesona azonao tsoahina.
-
Afaka manao lisitra ny amin’izay traikefa azonao isan’andro ianao miaraka amin’ny Tompo.
Nanana fahazarana nanoratra isa-maraina aho, izay rehetra tonga ao am-poko, nandritra ny fotoam-bavako. Rehefa nandeha ny taona, lahatsoratra aman-jatony no voadikako, izay mirakitra karazana traikefa. Tena tiako ny manokatra ny foko amin’Andriamanitra isa-maraina! Rehefa manao izany aho, dia voaraiko lalim-paka ato anatiko kokoa ny sitrapon’ny Tompo amin’ny sehatra samihafa.
Hoy ny Tompo tamin’ny mpaminany Habakoka : “Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin'ny fàfana, Mba ho azon'ny mihazakazaka hovakina aza” (Habakoka 2:2). Rehefa soratanao izay asehon’Andriamanitra anao dia mamporisika anao izany mba hitombo hatrany. Rehefa soratanao ny fahitana, mandroso ny fonao!
Mamporisika anao aho mba hanoratra izay rehetra tonga ao am-ponao mandritra ny fotoam-bavakao. Ho hitanao tsikelikely eo fa hifantoka bebe kokoa ny amin’izay tian’Andriamanitra ambara aminao ianao.
Ato am-poko ianao.

