• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 4, 2025

πŸƒπŸ»β€β™‚οΈ Mandehana lavitra kokoa !

Andro namoahana Apr 4, 2025

Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho..” (Matio 26:36b)

Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka (...)” (Matio 26:39a)

Misy heviny lehibe tokoa ireo teny vakintsika ato amin’ny Baiboly ireo! Tsapako izany tamin’ity herinandro ity, rehefa nody aho sady tena ketraka sy reraka. Raha ny marina, dia niatrika ady maro aho, tamin’ny sehatra maro samihafa. Tena vizaka aho ka nanoratra tamin’ny namako aho hoe: “Tena reraka tanteraka aho ka lasa tsy mety intsony ny zavatra rehetra.”

Azoko sary an-tsaina fa mety mahatsapa tahaka izany koa ianao, amin’ny zava-mitranga erak’izao tontolo izao, ary angamba amin’ny fiainanao manokana koa.

Tamin’io fotoana io anefa, indrisy, nanao hadisoana aho ! Lasa aho nidaboka teo am-pandriana, satria tena reraka loatra, dia nijery horonantsary aho… Ny Baiboliko sy ilay boky fisaintsainana tiako, dia nijanona nikatona tao ! Tena reraka loatra aho…

Nosaininao ve hoe Jesosy, izay nahalala fa ho faty Izy, dia tsy nahatsiaro torovana koa?

Vizakin'ny fifandirana, trotraky ny ady izay natrehany ho antsika, torovan'ny tranga, satria tsy nety nahatakatra ny maha-Izy Azy marina ny olona?

Kanefa, niroso ihany Izy.- Nandeha lavitra kokoa noho ny fahakiviany.- Nandeha lavitra kokoa noho ny faharerahany.- Nandeha lavitra kokoa noho ny fanaintainany Ary nivavaka Izy ! Tena nandona sy nahatonga saina ahy izany. Efa tena feno Izy an, fa hoy ny baiboly hoe: “dia nalahelo am-po sy ory indrindra.” (Matio 26:37) Na izany aza, dia nandroso ihany Izy mba hivavaka.

Indrisy fa tamin’io andro io dia tokony nandroso “kely kokoa” aho, mba hahita ny fanampian’Andriamanitra ! Ny ampitso, rehefa namaky ilay boky fisaintsainana aho, dia gaga. Ilay hafatra nampahery ahy izay tena nilaiko dia efa tao… omaly !

Raha mandeha kely lavitra kokoa ianao amin’ny vavaka, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ho tonga eo aminao !

Mandehana lavitra noho ny olanao, antsoy Andriamanitra. Eny, mivavaha !

Ianao dia fahagagana !

Eric CΓ©lΓ©rier
Mpanoratra

Eric CΓ©lΓ©rier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.