đ˘ MandehĂ na mora

Ny fankatoavana dia azo oharina aminâny fakana fotoana hanomezam-boninahitra anâAndriamanitra fa tsy mbola manohy ny lalanao manokana⌠Manontany tena angamba ianao hoe inona no tiako hambara. Mahafaly ahy ny hanome ohatra anao hanazavana izany.
Saika hanoratra aho hoe : âVao haingana kely, raha iny be atao be iny ahoâŚâ, kanefa ny marina dia be atao lalandava ahoâŚ
Ary rehefa tsy manam-potoana mihitsy aho dia tiako ny manatsahatra ny zavatra rehetra mba hakana rivotra mandehandeha. Mihaino hira fiderana aho ary mankafy azy aminâny feo avo ho fankalazana ny Andriamanitro eny anivonâny tontolo ! Mameno fifaliana lalina sy hery vaovao ahy hatrany izany !
Kanefa taminâity indray mitoraka ity dia tsy tsikaritro akory aho hoe fatafiditra tao anatina faritra voatokana fihazakazahana iray aho. Ary rehefa nandalo ahy ireo mpihazakazaka feno hatsembohana dia tsapako ho tsinontsinona aho oharina aminâizy ireo !
Taminâio fotoana io mihitsy no nikasika ahy ny FitiavanâAndriamanitra ka nampiseho ahy ity fahamarinana manaraka ity : ÂŤ Mety ho haingam-pandeha tokoa ireo mpihazakazaka ireo, saingy any am-pamaranana dia lanaka izy ireo. Mety misy mpanohana mankahery azy izy eny an-dalana, izay mamporisika azy hanohy ny hazakazany, saingy mihazakazaka ho azy ihany izy ireo. Manan-danja kokoa eo imasoko raha mihazakazaka HO AHY ianao, ka mitoetra amin-kery sy maharitra na dia midika aza izany fa mihazakazaka mora ianao satria maka fotoana miaraka Amiko. Mety ho tsy misy mankahery koa ianao eny an-dalana, saingy manĂ na antoka fa miandry anao ao ambadiky ny tsipika famaranana Aho ary hamihina mafy anao. Âť
Izany mihitsy no tiany hambara aminao anio :
Manan-danja kokoa eo imasonâAndriamanitra ny fijoroantsika aminâny finoana sy fandresen-dahatsika noho ny hafaingananâny hazakazaka ataontsika.
Noho izany, tianâAndriamanitra ianao hamita ny hazakazakao sady mitahiry ao am-ponao ny teninâI Paoly manao hoe: âEfa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho, hatrizao dia tahirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana.â (2 Timoty 4.7-8a)
Maniry ny hanatsahatra ny zavatra rehetra mandritra ny fotoana fohy ve ianao anio - ka haka fotoana miaraka aminâAndriamanitra ?
Fahagagana ianao!

