Manao fahagagana Andriamanitra
Anio aho dia te hizara aminao fijoroana vavolombelona vitsivitsy tao anatin’ireo izay voaraiko. Mivavaka aho mba hanampy anao fa tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao ary ny zavatra rehetra dia hain’ny mino. Mamakia finaritra…
- Naharay fahagagana aho raha nanoratra ny hafatra isan’andro “ny finoako no hany fananako” ianao. Teo ambanin’izay “hafatra” izay dia nametraka vavaka aho, izay vao avy nataoko ny marainan’iny ho an’ny zaobaviko Rama. Mitondra ny aretin’i Lyell izy. Tsy nisy azon’olona natao hanavotana azy satria nitokona ny hopitaly tany Gabon tamin’io fotoana io, tanàna izay onenany. Ankoatra izay dia tsy nisy fanafana afaka mamonjy azy. Saingy nataon’ny Andriamanitro izany. Ankehitriny, salama tsara izy ary efa nody any an-tranony. Te hanome Voninahitra an’I Jesosy aho.
- Teo am-pamakiana Fahagagana isan’andro dia nikasika ahy manokana ny Fanahy Masina momba ny fandresena ara-panahy. Nanomboka nanonona ny Tenin’Andriamanitra tamim-pahefana tamin’ny fiainan’ny anadahiko aho, izy izay tsy ao amin’Andriamanitra ary nanana olana ara-bola efa an-taonany maro tamin’ny fivarotany sy ny toe-bolany. Matetika izy noho izany no milaza ny hamono tena satria henjehin’ny vaditany. Naharay vaovao mahafaly avy amin’ny anadahiko aho milaza fa nanomboka roa herinandro lasa dia nihatsara ny varotra ataony ary niverina ireo mpanjifa. Afaka nijoro vavolomeblona taminy aho araka izany fa niditra an-tsehatra ho azy Jesosy.
- Niara-niaina tamin’olona tsy mino sy tena feno fihantsiana aho taloha. Isaky ny niezaka nijoro vavolombelona ny amin’I Jesosy na momba ny nataon’Andriamanitra tamin’ny fiainako aho dia nihomehezan’izy ireo. Nankaleo ahy izany. Nanomboka nanao famintinana fohy ny Fahagagana isan’andro tamin’izy ireo aho ary lasa liana nihaino tsikelikely izy. Ary toy izany no nanomboka nikasihan’ny Tenin’Andriamanitra azy ireo. Ary mbola mitohy mihatsara izany ankehitriny … Ho an’Andriamanitra ny Voninahitra.
- Nampiditra fangatahana famatsiana aho mba hanaraka fiofanana ho an’ny Master 2, fangatahana izay novalian’ny Sekretera Jeneraliko hafatra milaza fa nolavin’ny Minisitra avokoa ny fangatahana rehetra. Ny ampitso, nanokatra ny mailaka aho ary nilaza tamiko ny Fahagagana isan’andro fa tsy misy zavatra tsy hain’Andriamanitra. Tamin’ny finoana àry, naveriko nampidirina ny fangatahana ary nahazo valiny mahafapo aho.
Mahafinaritra loatra ny ataon’Andriamanitra e? “Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” (Salamo 139.14)
Afaka maka fotoana ve ianao hiaraka amiko hidera an’Andriamanitra noho ny asany ? Aza misalasala mizara aminay ny fijoroanao vavolombelona, mampahery anay sy ny namanay koa izany. Ny zavatra rehetra hainy atao.
Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra
Mandraisa fampaherezana isan'andro!
*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.