• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Aog 20, 2026

Manao dingam-pinoana ve ianao ?

Andro namoahana Aog 20, 2026

Izany koa ve no tsapanao amin’izao fotoana izao ?

Miandry anao hanao dingana amin’ny finoana ve Andriamanitra ? Nampiditra zavatra tao am-ponao ve Izy ka lasa mieritreritra ianao hoe: "Tsy ho vita mihitsy izany..."

Raha ny marina, tena mahamenatra ihany ny mieritreritra ny isan’ireo feo marobe izay inoantsika sy arahintsika. Rehefa milaza mantsy ny mpamantatra ny andro fa mety hiteraka aretin-doha ny andro anio, dia isika mihitsy no mino voalohany hoe:

  1. harary andoha isika anio, ary

  2. noho ny toetrandro no mahatonga izany.

Nefa rehefa mampiditra hevitra ao am-pontsika Andriamanitra, izay tena mifanaraka tsara amin’ny talentantsika sy ny nofintsika, dia mangataka porofo fanampiny indray isika hanamafisana izany. Misalasala isika... Misalasala isika hoe "ary raha...?" Izany rehetra izany dia satria te hahatsiaro ho voaaro foana isika!

Amin'ny maha-olombelona antsika, matetika isika miandry hahita "ny sary manontolo" vao manaiky hanao ilay dingana tokana takian’Andriamanitra amintsika amin’izao fotoana izao. Satria avelantsika hitarika antsika ny tahotra sy ny fisalasalana, fa tsy ny fitokisana amin’ny herin’Andriamanitra izay mahavita ny zava-drehetra.

Raha mbola ampiandrasinao ny hetsikao manoloana ny hevitr'Andriamanitra momba anao, dia mampihemotra ny asan’Andriamanitra koa ianao.

Rehefa niteny tamin’i Abrahama Andriamanitra hoe: "Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao;" (Genesisy 12.1), dia afaka tsy niraharaha izay reny fotsiny i Abrahama tany am-boalohany... na koa natahotra mafy satria tsy maintsy handao ny fiainany milamina sy mahazatra rehetra... Inona no hitranga any?

Tsia, tsy nametra-panontaniana mihitsy i Abrama, satria voalaza hoe: "Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy.". (Genesisy 12.4)

Anio, tena mby ao am-poko ny ho tonga toy ny fanamafisana faharoa ilainao, mba handraisanao ho zava-dehibe sy hanombohanao an’izay efa nolazain’Andriamanitra taminao hoe: "Maneke ary mialà amin’ny toeranao, dia ho hitanao ny hamaroan’ny fitahiana hateraky ny fankatoavanao"!

Mampahery anao aho haka fotoana anio handraisana fanapahan-kevitra, izay mety hanova ny fiainanao mihitsy aza!

Tsy andriko izay hahita izany... ho TSARA BE mihitsy izany!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.