Manao ahoana ny fihetseham-ponao anio?
Te ho sambatra ve ianao?
Tsara izany fanontaniana izany. Rehefa dinihina tokoa, tsy voatery hisafidy ny halahelo isika. Mifandraika amin'ny zavatra mitranga amintsika izany matetika. Tsy voatery ho zavatra ratsy mitranga foana koa nefa izany. Matetika, taratasy avy amin'ny manampahefana momba ny hetra na tapakila fijanonan'ny fiara fotsiny... dia bam, tena ambany dia ambany ny toe-pontsika.
Fanambarana mampientam-po, raha ny marina: "Ambany dia ambany ny toe-poko anio."
Efa mba nanontany tena ve ianao hoe nahoana isika no miteny izany? Izaho manokana, ny zavatra izay tsy tiako hijanona ao an-dakozia no apetrako “any amin’ny farany amban’ny tranoko - any amin’ny lakavy.
Na izany aza, misy fotoana ilaiko izany ary tsy maintsy midina any amin'ny lakavy aho mampiakatra an’ireo indray. Tsy dia tena te hanao izany aho matetika, fa ataoko ilay izy satria mila izay “any amin’ny faran’ny ambany” aho.
Raha "ambany indrindra" ny toe-ponao, dia mety tsy maintsy manaraka ny lalana tsy tianao haleha koa ianao mba hampiakarana izany!
Rehefa nitaraina tamin'Andriamanitra i Habakoka mba hahazo fanampiana, dia tsy namaly Andriamanitra hoe: "Ta-da! Ity ny valiny ho anao!" haha!!! Tsia, hoy Andriamanitra: "Jereo any amin'ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin'ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza." (Habakoka 1:5).
Saingy tamin'izany fotoana izany, dia tsy nisy zavatra tsara teo amin'ireo firenena... koa nahoana Andriamanitra no naniry ny olona hijery? Noho ny antony roa :
Voalohany, satria na dia any amin'izay heverinao fa tsy hahita afa-tsy ny ratsy ianao, amin'izao fotoana izao, dia misy tsara foana any !
Ary faharoa, satria izay toa ratsy ankehitriny dia toerana tonga lafatra ho an'ny fahagagana manaraka eo imason’Andriamanitra, izay hideranao Azy tsy ho ela!
Raha "ambany indrindra" ny toe-ponao anio, dia tsarovy ny mamoaka izany, amin'ny alàlan'ny fihadiana azy avy ao amin'ny lakaly (!) ary mijery ny toe-javatra misy anao amin'ny maso misokatra. Eny, tandremo ihany koa izay "mandeha tsara" amin'izao fotoana izao ary minoa fa Andriamanitra dia hamoaka fahagagana avy amin'ny ratram-ponao ankehitriny!
Fahagagana ianao!