đŸ¤— ManantenĂ ny tsara indrindra isan’andro!
Sarotra indraindray ny miandry na ny mamela ny tenantsika ho talanjona.
Nandritra ny taona maro dia nanjary zatra miaina anaty fiainana mirotoroto sy miovaova isika. Izany toe-javatra izany dia mety ahatonga antsika hahatsapa fa toy ny zavatra efa fahita sy mahazatra ny zava-misy, araka ny nolazain’i Solomona Mpanjaka hoe tsy misy zava-baovao ety ambanin’ny masoandro (Mpitoriteny 1.9)
Indraindray aza aho maheno ny resaky ny olona manodidina manao hoe: “Tsy misy mahagaga intsony ny zava-misy ankehitriny…” Midika izany fa efa zatra mahita vaovao ratsy mitranga izy ireo ary efa miomana ny hahita ny zava-dratsy indrindra vitan-draolombelona.
Ny zavatra anisan’ny mahafinaritra indrindra rehefa manan-janaka ianao dia ny mahita ny toetran’izy ireo mifanohitra tanteraka amin’izay voalaza teo. Ho an’ny ankizy dia vaovao foana ny zava-drehetra, ary ny fotoana rehetra dia fahafahana miaina zavatra mahafinaritra sy mianatra zava-baovao.
Mafana fo na amin’ny antsipirian-javatra kely aza izy ireo, mankafy tanteraka ny fotoana rehetra mandritra ny tontolo andro, ary rehefa misy zavatra misarika ny sain’izy ireo dia tsy mba misalasala maneho ny fihetseham-pony, ary hita eny amin’ny fihetsika izany : baribary be ny maso sady miteny hoe : “Waoouhhhh” Toy izany matetika no ataon’ilay zanako vavy ! =D
Ny ankizy dia manana fanantenana izay mitondra azy ireo hanantena ny tsara indrindra, hankafy, hikaroka ny hianatra, hihomehy, ho mavitrika, ho tsotra sy tia famoronana…. Ry namako, tsy fantatro ny momba anao, fa izaho manokana dia te hiaina bebe kokoa ireo toetra ireo eo amin'ny fiainako! đŸ˜„
Indraindray, amin’ny maha-olon-dehibe antsika, dia variana amin’ny fiainana andavanandro sy ny olam-piainana ka adinontsika fa fanomezana sarobidy ny fiainana! Noho izany, ankasitraho izay rehetra omen’ny Ray antsika.
Mety mihevitra fa tsy manam-potoana hanaovana an’izany isika , ary amintsika ny fanaovana zavatra betsaka sy ny fifantohana amin’ny manahirana antsika dia midika famatorana. Raha ny marina nefa dia diso fihevitra isika. Eny tokoa, amin’ny ireo zavatra maro afaka hianarantsika amin’ny zanantsika dia heveriko fa izany no anisany lesona lehibe indrindra azo raisina.
Ankoatra izany, dia jereo izay lazain’io andinin-teny malaza ao amin’ny Baiboly io: “Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” (Romana 12:2).
Ry namako, anio, velomy indray io fanantenana io, ilay faniriana hamela ny tenanao ho talanjona amin'Andriamanitra sy amin'ny antsipiriany kely amin'ny fiainana!
Eny, fotoana izao ialana amin’izay rehetra napetrak’izao tontolo izao ho fenitra ho antsika, ary hanomboka hamela ny saintsika hohavaozina, mba hahafahantsika miaina isan’andro ny zava-tsarobidy lavorary izay miasa mandrakariva ao anatintsika.
Hoy Andriamanitra ao amin’ny Teniny momba ny olony: “Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana…” (Isaia 56:7). Tonga ny fotoana hialana voly sy hifaliana amin'ny Fanatrehan'Andriamanitra! đŸ˜‰
Fahagagana ianao!
