❤️ Manandrama matoky Ahy
“Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany zavatra izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoany.” (Lioka 1.20)
Vao haingana aho no nanapa-kevitra ny hamaky ny filazantsaran’i Lioka hatramin’ny voalohany, ary tafajanona tao amin’ity andininy ity izay efa henontsika matetika. Tampoka teo dia tsapako ny fifandraisana misy eo amin’ny teny hoe “mihainoa” – na ny marimarina kokoa hoe “mihainoa ahy ankehitriny” – sy ilay fanambarana hoe: “ho moana ianao”.
Tsy fantatsika hoe impiry Zakarìa no nitomany teo anatrehan’Andriamanitra ary impiry izy no nangataka Taminy mba hanome azy zaza. Voalaza fotsiny fa tsy nanan-janaka izy ireo satria momba i Elizabeta, ary samy efa antitra be izy mivady.
Fa indro nisy anjely nijoro teo anoloan’i Zakarìa ka nilaza hoe: “Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao”(Lioka 1.13)
Dia tsy hita izay nataon’i Zakarìa afa-tsy ny mangataka porofo sy ny manazava ny antony tsy ahafahan’izany mitranga: “Ary hoy Zakaria tamin'ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko.” (jereo ny Lioka 1.18-19)
Ah, ry Zakaria ! Nahoana ary raha mifaly fotsiny sy mino hoe ho tanteraka araka izay nolazain’ny anjely mivantana taminao? Tsy haiko aloha ianao, fa raha izaho aloha tsy mbola nahazo fitsidihana anjely mihitsy nilaza tamiko fa voavaly ny vavaka nataoko!
Ahoana no ho fihetsikao raha toa ka misy anjely mijoro tampoka eo anoloanao? Angamba ianao aza haka ny findainao ary hangataka aminy hoe: “Azafady, eo anie mba avereno kely dia mba hasiana video ho an’ny Instagram? Tsy hisy hino ahy mihitsy mantsy raha tsy izany!” Na farafaharatsiny mba manao selfie iray?
Porofo…! Fa raha tsy izany, tsy hisy hino…
Na iza na iza afaka matoky an'Andriamanitra amin'ny fiadanan-tsaina tanteraka dia manana fitaovam-piadina tsara kokoa hatrany!
Angamba izany no antony nanosika an’Andriamanitra hampamoana an’i Zakarìa. Mba hianarany indray ny mihaino an’Andriamaniny. Ary ny hatoky Azy. Na dia tsy misy porofo aza. Amin’ny fony rehetra, amin’ny fitokisana tanteraka.
Vonona ve ianao ny hatoky Azy indray, zato isan-jato?
