Manana toetra feno fankasitrahana ve ianao?
Tia kafe toy ahy ve ianao?
Tsy misy tsara noho ny kafe vao maraina, indrindra moa rehefa mbola maizina iny ny andro anefa ianao efa miomana ho amin’ny tontolo andro!
Vao haingana kely aho no narary ary hitako fa lany koa ny kafe tao an-trano. Akory ny hafaliako rehefa nitondran’ny mpamokatra ahy kafe 3 fonosana aho tamin’izy nitsidika ahy. Feno fankasitrahana azy aho tamin’io fotoana io. Mazava ho azy fa niverina ho salama indray aho taoriana kelin’izay, fa kosa isaky ny misotro kafe isa-maraina aho dia tsy maintsy tafateny hoe: “Misaotra, misaotra, misaotra! Misaotra tamin’ny kafe!
Nandefa hafatra maromaro azy aho: “Tena feno fankasitrahana loatra ny foko tamin’ilay kafe”! Satria tsaroako ny zava-dehibe nataony tamiko tamin’ny fotoana tsy nananako fahafahana nanao izany ho an’ny tenako.
Oay…. Rehefa mieritreritra an’izany aho dia tonga saina tampoka ny amin’ny zavatra rehetra nataon’i Jesosy ho ahy koa, kanefa tsy mba nahatsapa izany fahamarinana teo ambanin’ny masoko izany akory aho.
Impiry marina izao ianao no nisaotra an’i Jesosy ny amin’izay rehetra nataony anao?
Raha tsy hiresaka an’ilay tena zava-dehibe indrindra, dia tsy inona fa ny Fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana. Kanefa, na dia izay fotsiny aza dia efa ampy hilazana hoe “Misaotra Jesosy” isan-tsegondra.
Raha ny amiko, dia tsara raha isaky ny misakafo aho dia “misaotra” an’i Jesosy amin’ny foko rehetra, satria afaka misakafo ara-dalàna indray aho, rehefa avy nositraniny tamin’ny fikorontanana ara-tsakafo!
Manana antony maro ianao hitenena hoe MISAOTRA, eny na dia amin’ny andro tsy dia nahombiazana aza.
Tsapanao ve zany?
Tsarovy anio izay rehetra nataony teo amin’ny fiainanao, ary zaro ny tenanao hanana toe-po mahay mankasitraka.
Satria tena ankafiziny izany… ary raha ny marina, ny famakivakiana ny fiainana miaraka amin’ny toe-po feno fankasitrahana dia tena mora kokoa, no sady mampifaly anao izany.
“Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin’ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.” (1 Tesaloniana 5.16-18)