Andro namoahana Apr 8, 2023
Manana ny zavatra rehetra ianao ao amin’i Kristy
Andro namoahana Apr 8, 2023
Ny Paska dia tantaram-pitiavana izay mahatonga fifanakalozana amin’Andriamanitra. Satria:
- Niaina ny fahafaham-baraka lehibe indrindra Kristy, mba ahafahanao mitraka indray ry Namako. (Jereo Isaia 53.4)
- Nandrava ny herin’ny ota i Kristy mba hanafaka anao amin’ny fanandevozana ry Namako, sy ahafahanao mandray ny famonjena. (Jereo Jaona 8.36)
- Nosarahina tamin’ny Ray i Kristy mba ahafahanao manatona amin’ny fotoana rehetra sy tsisy fetra ny seza fiandrianan’ny fahasoavana. (Jereo Hebreo 10.19-22)
- Nandresy ny fahafatesana i Kristy mba hanananao fiainana ry Namako. (Jereo Romana 8.11)
Manana ny zavatra rehetra ianao ao amin’i Kristy : ny fiadanana, ny fandresena, ny fifaliana ary ny fiainana mandrakizay.
Raiso ny anjaranao amin’izany fifanakalozana amin’Andriamanitra izany, izay tsy voafetran’ ny fotoana, ary lehibe lavitra noho ny zava-misy.Anio, midira amin’izany fiainana tsy misy fetra izany… Izany koa ny Paska…Tantara mahazendana,Ray izay manome be dia be,
