๐ Manana fotoana isika !
Fantatrao ve fa amin'izao fotoana izao, ny ankamaroan'ny asa dia atao amin'ny fotoana voafaritra mialoha?
Eto am-panoratana eto aho izao dia miandry ny fitsidihan’ny namana tena akaiky ahy. Ah, tena efa ela aho no niandry ity fotoana ity izay ahafahako miaraka aminy am-pilaminana.
Fihaonana efa nomanina mazava ho azy, efa hatry ny ela raha tsy izany dia tsy tanteraka mihitsy ! Na dia hihaona amin’ny namana aza, tena tsy mampino…
Tsy resahana intsony ny fotoana andehanana any amin’ny mpanao nify na ny mpanao volo, izay sahantsika ahemotra amin’ny minitra farany. Rehefa manomboka manao fanazaran-tena baolina kitra ny ankizy na mianatra mitendry zava-maneno, dia mazava ho azy fa mila alamina koa ny ambiny rehetra.
Ny asa dia mbola “fotoana” ihany koa. Mandeha any am-pifaliana isika na tsy tena avy amin’ny fo ! Fa mandeha any isika satria fantatsika fa hahazo valisoa isika, izany hoe hahazo karama, ary afaka mividy izay ilaintsika.
Ary manao ahoana ny fotoanan-tsika miaraka amin’Andriamanitra ? Miala tsiny aho, tsy hoe “miaraka” amin’Andriamanitra no tiko lazaina fa “ho” an’Andriamanitra. Misy foana ny fotoana ho antsika - fa tena mahalana ny fotoanantsika ho Azy… satria tsy manao fotoana ho Azy isika…
Hanao ahoana ny fahombiazan’ny fiainantsika raha mandrindra ny fianam-bavakitsika isika tahaka ny fikotranana amin’ny baolina kitra ! Hahazo valisoa lehibe isika, azoko antoka izany ! Ary Andriamanitra mampanantena antsika : “Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao.” (Matio 6.6)
Azonao ve ny dikan’ny hoe “hahazo valisoa avy Aminy”?
Na inona na inona antom-bavakao, raha maka fotoana ianao hiresaka Aminy, dia hamaly anao Izy. Tiany ny mamaly ny hetahetanao “satria tiany ianao. Tia anao tsy misy fetra Izy!”
Mamporisika anao aho mba hanomboka ny andronao amin’ny vavaka, hanana fotoana miaraka amin’i Jesosy! Fotoana misimisy miaraka Aminy midika fihenan’ny fotoana ho amin’ny olana.
Azo antoka fa hiova ny fiainanao !