Manana fihaonana isika !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Manana fihaonana isika !

Tsikaritrao ve fa amin’izao andro izao, ny ankamaroan’ny hetsika atao rehetra dia atao amin’ny alalan’ny fihaonana ? 

Eo am-panoratana ity lahatsoratra ity aho dia miandry ny fitsidihan’ny namana iray tena akaiky ahy. Ah, efa ela no niandrasako izao fotoana izao mba hihaonana aminy indray.

Fihaonana efa nomanina efa ela mazava ho azy, raha tsy izany dia tsy ho tanteraka mihitsy! 

Tsy lazaina intsony ny fihaonana amin’ny mpitsabo nify na mpanao volo, izay tsy misalasala ny hanemotra amin’ny ora farany. Rehefa manomboka manao fanazaran-tena amin’ny baolina kitra na mianatra mozika ny ankizy, dia mazava ho azy fa mila fanomanana dieny mialoha ny zavatra rehetra.

Ny asa ao amin’ny orinasa dia “rendez-vous” ihany koa. Na am-pifaliana na am-pahalainana no handehantsika mamonjy izany. Mandeha any anefa isika satria fantatsika fa ny karama no valin’izany, izay hahafahantsika mamelona ny akohonantsika.

Ary ahoana ny amin’ny fotoanantsika miaraka amin’Andriamanitra? Nahoana no sarotra ho antsika ny manomana fihaonana miaraka Aminy?  Raha ny tena marina ary, tsy hoe “miaraka amin’Andriamanitra” no tiako holazaina, fa “ho” an’ Andriamanitra. Manana fotoana ho antsika foana Izy – saingy zara raha mba manokana fotoana ho Azy isika… satria tsy maka “rendez-vous” isika…

Ry namako, mety hahomby tokoa ny fiainantsika raha toa ka manomana ny fiainam-bavaka tahaka ny fiofanana baolina kitra isika! Azoko antoka fa hahazo valisoa be dia be isika. Ary mampanantena antsika Andriamanitra hoe:

Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin’ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao. (Matio 6.6).

Fantatrao ve ny dikan’ny hoe “mamaly soa anao Izy”?

Na inona na inona lohahevitry ny vavaka ataonao, raha maka fotoana hiresahana Aminy ianao, dia hamaly anao Izy. Tiany ny manome izay ilainao “satria tiany ianao, ry namako. Tsy manam-petra ny fitiavany anao !”

Mamporisika anao aho hanomboka ny andronao amin’ny vavaka, hihaona amin’i Jesosy ! Ny fotoana bebe kokoa hiarahanao Aminy dia hampiena ny ahiahinao.

Azo antoka fa hiova ny fiainanao !

Misaotra fa misy ianao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!