👨👩👧👦 Manana Fianakaviana be voninahitra Andriamanitra…
Ny fianakaviana dia iray amin'ireo fototry ny fiaraha-monina sy ny fiainantsika manokana.
Isika tsirairay avy dia teraka tao anatin’ny fianakaviana iray avokoa, izay mikarakara antsika, manampy antsika hitombo ary mifandray amintsika mandritra ny androm-piainantsika.
Angamba ianao nihalehibe tao anatin’ny fianakaviana be fitiavana ary ny fifandraisan’ny fianakavianao dia fitahiana eo amin’ny fiainanao. Kanefa mety hisy ihany koa ny mifanohitra amin'izany, mety tsy dia tsara loatra ny fiainanao eo anivon'ny fianakavianao, na ihany koa miaina ratra lalina ao anatinao ianao noho ny fahatsiarovana ratsy sasany niainanao niaraka tamin'ny fianakavianao.
Raha ny tena izy dia fantatry ny fahavalo ny herin'ny fianakaviana izay mamolavola ny maha-izy antsika sy manampy antsika ho salama sy hatanjaka hatrany am-bohoka. Izany no antony hikarohany fatratra ny hampisara-bazana ny fianakaviana amin'ny alalan'ny fomba samihafa toy ny ratram-po, fakam-panahy, avonavona, lainga, lolompo na endrika hafa rehetra mety hitranga.
Na dia eo aza ny fiainam-pianakaviana izay mety ho niainanao teto amin’ity tany ity, Andriamanitra dia tia hanavao izany fahatsapana momba ny fianakaviana izany ao anatinao, ary hanome azy endrika vaovao feno voninahitra eo amin’ny fiainanao!
Andeha hojerentsika izay lazain’io andininy io ao amin’ny Baiboly: “Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra…” (Efesiana 2:19, 21).
Izao no izy: tsy vahiny ianao, tsy olona “ambany” ary aza mino ny lainga hoe tsy misy tia anao. Mety efa niaina fotoan-tsarotra ianao taloha, fa ankehitriny dia efa anisan’ny Fianakavian’Andriamanitra ianao!
Tena tia anao Jesosy ka nanolotra ny ainy ho anao teo amin’ny hazo fijaliana, mba hahafahanao mitoetra mandrakizay eo Aminy, sy miaraka amin’ireo izay mino Azy.
Ry namako, nanomana fianakaviana be voninahitra ho anao Andriamanitra. Tiany havaozina ny fahatakaranao ny maha-izy anao ao amin’i Kristy. Iriny koa ny hanova sy hitahy ny fianakavianao ao anatin’izany dingana izany, mba hiseho maharitra ao amin’izy ireo ny fitahiany.
Mandritra ny andro vitsivitsy, dia handinika lalina an'io lohahevitra mahafinaritra io isika. Vonona ve ianao? Mino aho fa hisy fiantraikany tokoa eo amin’ny ny fiainanao sy ny ankohonanao izany😉 🙌🏻
Fahagagana ianao
