• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 12, 2024

😵‍💫Manana fahalemena ve ianao ?

Andro namoahana Apr 12, 2024

 

Mahatsiaro tena matanjaka ve ianao? Mila ny Tompo hampahery anao ve ianao anio?

Ao amin’ny sehatry ny fandraharahana dia matetika ny orinasa no manao ny fanadihadiana antsoina hoe “SWOT”. Fantatrao ve ny dikan’izany? Teny fanafohezana izay midika hoe, raha adika amin’ny teny Malagasy : Tanjaka - Fahalemena - Fahafahana - Fandrahonana. Ny tanjona dia ny hijery ny misy ny orinasa ahafahana manitsy sy manatsara.

Ny tena marina dia ny fijerena ny tanjaka sy fahalemena dia ilaina amin’ny seha-piainantsika rehetra indrindra ny ara-panahy. Fantatrao ve inona no herinao? Inona no fahalemenao?

Zava-dehibe ny fahafantaranao ny fahalemenao mba hampahery anao ary indrindra tsy aharendrika anao anaty fandriky ny fahavalo. Fa tena mikatsaka ny hanararaotra ny fahalementsika foana izy.

Ity andinin-tsoratra masina ity dia tena nanome aingam-panahy ahy : “…izahay dia tsy mitsahatra mivavaka ho anareo.[…]ary ampahatanjahina amin'ny hery rehetra” (Kolosiana 1:9 sy 11):

● Afaka mifampitondra am-bavaka isika● Te hampahery antsika Andriamanitra● Ny heriny rehetra dia vonona ho anao● Ny heriny dia feno ny Voninahiny.

Ry namako, tsy omen’Andriamanitra amin’ny ampahany ny heriny fa atolony anao manontolo!

Anio dia mivavaka aho ny amin’ny hamelanao ny Fanatrehany haneho anao izay tsy ampy eo aminao, ary ny mba hiainanao ny Heriny sy ny Tanjany hipololotra avy ao anatinao.

Taratry ny Voninahiny ianao ry namako.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.