• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Aog 23, 2024

🤔 Manakorontana ny programanao ve Andriamanitra ?

Andro namoahana Aog 23, 2024

« Tsy nampoizina ity » … Io no eritreritra nahazo ahy rehefa navilin’ny GPS tampoka tany amina lalana izay tsy mitovy amin’ny falehako mahazatra aho rehefa mody. Tamin’io andro io dia nalefan’ny GPS, izay fampiasako mahazatra, tamina lalan-kafa aho. Diso fanantenana aho sady nieritreritra hoe : “Te hisotro ilay kafe tiako anie aho e” ! Nampamakivaky ahy toerana izay tsy mbola fantatro anefa ity lalana ity ary tsy nitsahatra nitalanjona aho nanjohy azy : “Tsara loatra ny aty!” Ny iray tamin’ireo namako, izay narary, koa dia nangataka ny mba hitondrako zavatra iray izay sarotra hita… Ary indro fa teo anoloako ilay fivarotana izay notadiaviko ! Woah ! Izaho koa efa ela no naniry hividy haingontrano ka inona ity hitako ? Mpivarotra roa nanome safidy mahafinaritra ! Mety ho toa « tsy misy dikany » izany raha henoina ry namako saingy tena feno dikany ho ahy tamin’izany fotoana izany. Indraindray Andriamanitra dia mitondra anao amin’ny lalan-kafa mba hanehoana aminao fa misy « zavatra hafa » ihany koa. Raha niteny nivantana tamiko Izy hoe : “Mandalova any Alemana hoe androany”, dia azoko antoka ho namaly aho hoe : “Ka manana programa hividy kafe any Soisy anie aho e !”. Ary mety hoy Andriamanitra hoe : « Indrisy, nanomana zavatra tsara be ho anao anefa Aho tamin’ilay lalana iray…” ! “Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.” (Ohabolana 16.9) Ry namako, vonona ve ianao ny hamela an’Andriamanitra hitondra ny dianao ao anatin’ity herinandro ity ? Vonona ny hatoky Azy tanteraka ve ianao na dia toa hafa amin’ny lalana noeritreretinao arahina aza izany ? Aza adino fa ilay Andriamanitra « …izay mahita anao » (Genesisy 16:13) dia Andriamanitra mikatsaka mandrakariva ny tsara ho anao – eny fa na dia amin’izao vanim-potoana izao aza ! Hotahian’Andriamanitra anie ianao ry namako !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.