• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Sep 23, 2025

đŸ˜„Manahy ve ianao?

Andro namoahana Sep 23, 2025

Efa niainanao angamba ilay tebiteby mahazo anao manomboka ny alatsinainy maraina, mahakasika dinidinika iray somary sarotsarotra, izay ho hatrehinao ny zoma manaraka! Any foana ny sainao mandritra ny herinandro.

Raha ampitahaina amin’izay nampanahy an’i Mordekay, dia azo inoana fa kely dia kely ny ahiahintsika. Efa fantany tokoa fa ho ringana ny vahoaka jiosy manontolo satria tsy hiankohoka eo anatrehan’i Hamana! Hamana, izay nitana ny toerana ambony indrindra tao an-dapan’ny mpanjaka. (Jereo ny Estera 3:1)

Izao no voalaza: “Nony fantatr'i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona,” ( Estera 4:1 ).

Impiry moa isika, rehefa manahy mafy, na dia tsy mitafy akanjo fisaonana aza dia hita soritra eny amin’ny tarehantsika fa ory isika , satria mitanondrika manoloana ny entana manavesatra antsika.

Noho ny fanahiany lalina, dia niangavy an’i Estera, zanak’olo-mpiray tam-po aminy, izay lasa mpanjakavavy, i Mordekay, mba hangataka amin’ny mpanjaka mba hitsimbina ny ain’ireo vahoaka rehetra ireo!

Fantatrao ve ny nanaitra ahy tamin’ny fihetsik’i Estera? Izao no voalaza ao: “nampanatitra lamba hitafin'i Mordekay izy mba hanesorany ny lamba fisaonana taminy; nefa tsy nety nandray izy” ( Estera 4:4 ).

Toy ny te hilaza i Estera hoe: “Tena misy ny fahoriana, fa io Andriamanitsika io koa tena misy! Amin'ny finoana no handresentsika ny fanahiana rehetra. Manambara fandresena amin'ny fomba hita maso isika na dia mbola tsy tazantsika aza izany!

Raha tsapanao fa voafehin’Andriamanitra ny zava-drehetra, dia tsy hamatotra anao intsony ny fanahiana. Toa takatr’i Estera avy hatrany izany. Fa mbola tsy vonona anefa i Mordekay.

Samy nahita ny fahagagana izy roa! Fa i Estera kosa efa nahatsapa fahagagana kely vitsivitsy teny an-dalana ho amin’ilay fahagagana lehibe! Satria Andriamanitra nampitafy azy ny Fahasoavany sy ny Fahefany rehefa vonona ny hatoky Azy izy!

Mampahery anao koa aho mba hitafy ny Fahasoavan’Andriamanitra sy ny Fahefany. Hanokatra lalana FOANA Izy handresenao ny tebiteby izay manavesatra anao..

Hoy Jesosy: "Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory." ( Lioka 10:19 ).

Ny fandresena izay homanin’Andriamanitra anao dia hiaino tanteraka !!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.