Manafaka anao ny mamela heloka
Efa niezaka namela heloka olona iray ve ianao dia tonga saina fa tsy vitanao ilay izy ?
Toa misy zavatra “manakana” anao noho ny zavatra natao anao na fanahy iniana na tsia… Ahoana no fomba ihoarana an’izany ka hahafahanao hamela heloka ?
Tsy miankina amin’ny zavatra tsapanao izany. Ny famelan-keloka dia mifototra amin’ny fankatoavanao an’Andriamanitra. Manasa anao hamela heloka ny Tenin’Andriamanitra. “Ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.” (Ny Baiboly, Efesiana 4.32)
Asa an-tsitrapo ny famelan-keloka, sady asan’Andriamanitra.
Raha manentsina ny làlan’ny finoana sy mangalatra ny fifaliana ny tsy famelan-keloka, ny famelan-keloka kosa manao fanafahana anaty ary mitondra any amin’ny fiadanana. Toy ny lakile iray manokatra ny varavaran’ny lanitra, ahafahan’ny Tompo hiasa amin’ny fiainanao.
Raha voakasik’izany ianao, ry Namako, dia andao hivavaka hoe…
“Tompo o ! hitanao ny foko. Fantatrao fa tsy vitako ny mamela heloka (lazao ny anaran’ilay olona). Tena miezaka amin’ny foko manontolo aho fa tsy vitako. Mangataka Anao aho hanampy ahy amin’ny Fanahy Masinao mba hamela tanteraka ka hahafahako mandeha ao amin’ny fahafahana miaraka Aminao, feno ny fiainanao, ny fifalianao sy ny fiadananao. Fenoy ny fitiavanao ny foko ho an’io olona io. Amin’ny anaran’i Jesosy, Amena.”