Mamy sira 🧂
“Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.” Ohabolana 18:21
Ny zavatra tenenintsika dia misy fiantraikany amin’ny fiainantsika. Anisany zaraiko amin’ny olona ny hoe tandremo ny zavatra lazainao fa marina io andinin-tsoratra masina io. Fidio ho teny tsara, mampahery sy mitondra fiainana ny avoaka. Ny Kolosiana 4:6 dia mangataka antsika moa hoe “Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra” Ambarako fa tsy tokony ho isika no hitratrevatreva rehefa miteny, na sanatria hiteny maloto eny na dia tezitra tahaka ny inona aza. Mila “mamy sira” izany hoe mahafinaritra, malefaka, mampahery, mampitony ny tenintsika….Aoka tsy isika intsony - ie, efa lasa ny zavatra taloha - no hiteny zavatra mety handratra ny hafa.
“...Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao…” (Romana 10:8) ary ilay efa haintsika tsara hoe “...fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava.” Matio 12:34
Tsy amboarimboarina io fa miankina amin’izay be ao anatinao. Raha fanahiana no betsaka ao dia tsy mahagaga raha miresaka fanahiana, tahotra foana ilay olona. Fa raha tenin’Andriamanitra kosa dia na inona na inona mitranga dia misy teny entiny mampahery ny tenany na ny hafa foana.
Anio safidio ny teny mahavelona. Fenoy izany ny ao anatinao dia hioty ny vokatr’izay ianao. Andramo ange manomboka anio eeee 😉
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕