Mampihatra ireo sivana 3 ve ianao rehefa miresaka?
Efa naheno momba ny “sivana telo sosona an’i Socrate ve ianao?
Io filozofa grika tranainy malaza io dia nanana fahazarana nametraka fanontaniana telo tamin’izay te-hitantara sy hifosafosa aminy, mba hahafahana manivana azy:
- Ny sivan’ny fahamarinana: Azo antoka ve fa marina izay tianao holazaina amiko?
- Ny sivana hatsaram-panahy: Tsara ve izay holazainao amiko momba ny namako?
- Ny sivana mahasoa: Mahasoa ve izay holazainao amiko?
Ny fehin-kevitr’i Socrate dia toy izao hatrany: « Raha ohatra ka izay tianao holazaina amiko dia tsy fantatrao ny fahamarinany, na sady tsy tsara no tsy mahasoa… nahoana no lazaina amiko?”
Amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika, dia voasariky ny devoly hanao resaka ratsy isika indraindray. Milaza zava-dratsy momba ny hafa isika nefa tsy tena mahafantatra matetika hoe marina na feno ve ny vaovao ananantsika, ary dia mitsara isika, mitsikera… Fa Andriamanitra dia miantso antsika hanao zavatra amin’ny fomba hafa tanteraka.
Jereo izay lazain’ny Baiboly hoe: “Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao” (Filipiana 2:14-15).
Rehefa manapa-kevitra ny hiala amin’ny fifosana sy ny fifandirana amin’ny hafa isika, dia misy zavatra miavaka mitranga ao anatintsika:
- Mandeha amin’ny lalana mahitsy isika, tsy misy haizina.
- Miaina ao anaty fahatsorana sy fahazavana isika, satria tsy sarotra intsony ny fiainana.
- Mitandrina ny tenantsika ho madio sy tsy misy loto isika.
- Mamirapiratra isika.
Araka ny efa nolazaiko taminareo omaly, azonao sary an-tsaina ve ny mety hitranga raha toa ka isaky miresaka ianao dia tsy miteny afa-tsy zava-tsoa, feno fahazavana sy fitahiana? Ary rehefa misy olona manomboka manaratsy ny hafa aminao, dia miataka amin’ilay fifampiresahana ianao? Ary noho izany dia tsy hisy fanakianana na fiampangana mihitsy ao aminao? Izany indrindra no efa nomanin’Andriamanitra ho anao: izany no fomba nanamboarany ny fiainana izay nomeny ho anao.
Ry namako, Andriamanitra tsy niantso anao hanendrikendrika, fa hamirapiratra. Mivavaka aho mba ho heniky ny fahazavany sy ny fitahiany ny resakao rehetra anio. Hahazo aina tsara ianao!