Mamofopofona fihavanana izany !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Mamofopofona fihavanana izany !

Azoko sary an-tsaina fa dia mety nisedra fahasarotana amin’ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana ianao, na ao amin’ny asa, ny fiangonana na hafa… Ny tsi-fifanarahana dia tsy azo ihodivirana, zava-misy eo amin’ny fiainana sy amin’ny fifandraisan’ny olombelona izany. Saingy, anjaranao ny misafidy hoe hamolavola fihetseham-po miabo ve ianao sa tsia manoloana ny hafa…
Manasa antsika ny Baiboly mba hihavana amin’ny olona rehetra. Hoy ny andinin-tsoratra masina hoe: “Ary raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” (vakio ny Romana 12.18)
Hoy ihany koa ny Baiboly hoe: “Raha sendra tezitra ianareo, dia aza manota: aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza omen-toerana ny devoly.” (vakio ny Efesiana 4.26-27)
Te-hivavaka hiaraka amiko ve ianao “Tompo ô, hitanao ny foko, fantatrao ny zavatra lalovako. Hitanao fa raha amin’ny herin’ny tenako dia sarotra amiko ny hamela heloka marina. Nefa te-hanao ny sitraponao sy hampifaly Anao aho. Mangataka Aminao aho mba hanampy ahy hampisinda ny fahatezerako, ny lolompoko ka hamela ny rahalahiko, ny anabaviko, ny rahavaviko, ny anadahiko. Mba tsy hivesatra hatezerana intsony anie ny foko amin’ny anaran’i Jesosy! Amen.”

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!