Mamerina ny hanitry ny fampihavanana Izy
Heveriko angamba fa tanatin’ny 365 andro (na latsaka) ianao dia mety nandalo olana teo amin’ny fifandraisana tamin’ny fianakaviana, tany amin’ny sehatry ny asa, fiangonana na sehatra hafa mihitsy…. Tsy azo hidivirana ny fifanolanana fa tsy maintsy misy eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona sy ny fifandraisany izany. Na izany aza, anjaranao no misafidy na hitahiry fihetseham-po ratsy amin’ny hafa ianao na tsia…
Ny baiboly dia mampianatra antsika mba hihavana amin’ny olona rehetra. “Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” (Romana 12:18)
Ary koa: “Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome fitoerana ho an’ny devoly.” (Efesiana 4:26-27)
Atsaharo ny fahatezerana dia mamela heloka. Eny, avelao ny lonilony ary mamela heloka.
Enga anie mba tsy hifarana amin’ny naoty ratsy ity taona ity, fa mba amin’ny hanitry ny famelan-keloka sy fampihavanana izay hampifaly ny fonao sy ny Rainao izay any an-danitra.
Mahereza, satria fantatrao fa rehefa mamela heloka ianao dia mahatanteraka ny sitrapony.
Manaiky hiara-hivavaka amiko ve ianao izao? “Tompo o, hitanao ny ao am-poko ary fantatrao izao toe-javatra iainako izao. Hitanao fa raha amin’ny herin’ny tenako manokana dia sarotra amiko ny hamela heloka marina sy amin’ny fo madio. Kanefa tiako ny hanao ny sitraponao sy hahafaly anao. Mba ampio aho hiala amin’ny fahatezerana sy ny lolompo ary mba hamela ireo ralahiko sy anabaviko. Ampio aho mba hamarana tsara ity taona ity. Mba ho afaka amin’ny anaran’i Jesosy ny vesatry ny alahelo ato am-poko! Amen”
Misaotra fa misy ianao,