Mamela anao aho Ry namako.

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Mamela anao aho Ry namako.

N.B. : lty lahatsoratra androany dia nalaina tao amin’ny “21 jours dans l’intimité du Père“.
Ao amin’ny “Rainay any an-danitra”, nampianatra antsika Jesosy hilaza hoe : “Ary mamelà ny helokay….”. Efa nanao izay nampalaelo an’Andriamanitra ve ianao…? Tamin’ny fisainanao, tamin’ny ataonao, na teninina na fanadinoana…?
Manambara miaraka amin’ny fanantenana ny Baiboly hoe : “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra.” (Vakio 1 Jaona 1.9)
Andriamanitra dia tsy te hitahiry ny fahotanao hanamelohany anao. Izany no antony nandefasany ny Zanany lahy tokana, Jesosy Kristy, ho faty teo amin’ny toeranao teo amin’ny hazo fijaliana mba hitondra ny fahotanao.
Ny Baiboly dia milaza fa nanota tamin’Andriamanitra daholo isika : “fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Vakio Romana 3.23-24).
Nosakanan’ny fahotana ny fidirana ao amin’ny Ray… Fa tamin’ny andro izay niaikenao heloka sy nanapahanao hevitra hiala amin’izany, dia namela anao Andriamanitra ary nanadio anao ho afaka tamin’ny fahotanao. Nohamarininy ianao tao amin’i Jesosy Kristy izay nanafaka anao tamin’ny fahotanao, tamin’ny alalan’ny ràny izay nalatsany teo amin’ny hazo fijaliana.
Rehefa manaiky izay vitan’i Kristy ho anao teo amin’ny hazo fijaliana ianao ary miaina amin’ny fibebahana amin-kitsimpo, dia voavela ianao. Ohatra ny miteny anao Andriamanitra hoe : “Manomboka amin’ny fotoana hanekenao fa ny sorona nataon’ny Zanako no manarona ny fahotanao, dia mamela anao Aho Ry namako.”
Tsy misy dikany ny ezaka ataonao hahazoana famelan-keloka, fa satria mahay mankasitraka ianao dia hanao ny ezaka rehetra ianao mba hahafaly an’Andriamanitra ao aorian’izany fiovana izany.
Raha mahatsapa ianao fa mila mangataka famelan-keloka amin’ny Tompo, dia te hanampy anao aho amin’ny alalan’ity vavaka ity, izay nalaina tamin’ny vavaky i Davida mpanjaka (Vakio Salamo 51.11-14) : “Rainay any an-danitra, mifona Aminao aho noho ny fahadisoako, mifona noho ny fahotako. Fafao ny fahadisoako, ario any anaty lalin’ny ranomasina. Ny faniriako dia ny hanana fo madio sy fieritreretana voadio. Omeo Fanahy mazoto indray aho. Aza arianao aho ary aza esorina amiko ny Fanahinao Masina. Fenoy ny fifalian’ny famonjenao indray ao, ary fanahy mazoto hihazona ahy..! Ary hanampy ny hafa aho hiverina Aminao indray. Misaotra ny amin’ny fanohanan’ny Fanahinao izay manampy ahy handeha amin’ny fahamasinana araka ny fanirianao. Amen”

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!