Malalany ….
Tato ho ato dia somary feno endrika fahavesarana izany ny manodidina. Asa na noho ny toetr’andro ve sa noho ny inona fa vao misy zavatra kely mitranga ohatra dia mivadika resabe sy miteraka fiadin-kevitra lavareny mifarana amin’ny fifamaliana indraindray.
Anio anefa dia manasa anao indray aho hiravoravo. Aza miandry fotoana na zavatra miavaka be fa miravoa fotsiny. Esory ao am-ponao ny alaelo, ny ahiahy, ny fahasorenana…. fa fitaovana entin’ny ratsy hanavesatra anao fotsiny izany. Ekeko hoe misy zavatra lalovana, eny na izaho miresaka aminao io aza, fa safidy ny hoe hifantoka na tsia amin’ny olana. Aza mitady olona hiresahana aloha, na heverinao manamaivana anao aza izany, fa miravoravoa ao amin’i Jesosy fotsiny.
Tanisao ny soa rehetra nataony anao. Manatona fitaratra ohatra dia jereo eo sy tanisao ny fahatsaran’ny asa-tanan’Andriamanitra eee... aza mitanisa ny isan’ny mony na ny ketrona 😅 fa manonona teny ho anao. Aza mifantoka amin’izay hitanao fa Andriamanitra tsy mijery anao amin’ny fomba fijerinao ny tenanao fa mahita anao ho be voninahitra sady tiany ka antsoiny hoe “Malalany” 🥰. Teneno mihitsy ny tenanao hoe : “Endrey ry malalan’Andriamanitra, be voninahitra ianao!!” (Mifototra ao amin’ny Isaia 43:4) sady araho tsiky kely😉.
Isa-maraina, alohan’ny hanaovana zavatra na hivoahanao dia ambarao amin’ny tenanao ange izany eee… fa ahafinaritra sy ho ravoravo ianao mandritry ny tontolo andro.
Satria hoy Izy ao amin’ny Salamo 118:24 “Ity no andro nataon'i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika.” Raha mbola misy koa ny andro nosokafan’i Jehovah aminao dia mifalia sy miravoa fa fahasoavana natolony maimaim-poana ho anao Malalany izany.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕