• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 30, 2025

🏍️ Malaky mitia ve ianao ?

Andro namoahana Mey 30, 2025

Mitohy ny fandalinantsika ny Salamo 100, ary anio dia hijery ny andininy faha-3 isika izay manao hoe : “Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika” (Salamo 100:3)

Tsy haiko raha efa nanjo anao ity, fa misy fotoana mandeha mafy loatra isika ka tsy haintsika intsony ny mahita izay tena zava-dehibe na izay mitranga eo amin’ny fiainantsika.

Mora ho antsika izany mora difotry ny asa sy ny adidy isan’andro izany, nefa amin’ny farany, dia inona moa fa tsy lisitra fotsiny izany rehetra izany : zavatra atao, adidy, asa…

Indray mandeha, nandritra ny fotoam-pivavahany, dia nahatsapa toy izao tao am-pony ny iray tamin’ireo namako, hoe : “Mandeha mafy loatra ianao ka tsy afaka ny ho tia.”

Satria sahirana be amin’ny tetikasa sy asa maro samihafa ho an’ny fiangonany izy, dia tsapany hoe marina izany : nanao zavatra maro be izy, nefa lasa nanalavitra an’Andriamanitra, ary tsy nahay naneho fitiavana marina intsony tamin’ny olona...

Manentana antsika ny andininy anio mba hijanona vetivety sy hieritreritra izay tena zava-dehibe marina. Andriamanitra no manome dikany ny fiainantsika, fa tsy ny tetikasa an’arivony, na ny asa maro ataontsika.

Tsy miankina amin’ny fahaizantsika sy ny talentantsika ny fiainana, fa amin’ny fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra. Izy no zava-drehetra ho antsika ! Ny fifandraisana velona miaraka Aminy no manome dikany ny zavatra rehetra ataontsika ary manome antsika ny fahaiza-mitia amin’ny fitiavana tena marina.

Ry namako, mba mijanòna kely anie anio ary sokafy manontolo amin’Andriamanitra ny fonao. Mankanesa any amin’ilay Toerana Miafina, lazao Aminy ny fanirianao hifandray Aminy bebe kokoa sy ny fianteheranao tanteraka Aminy.

Aza avela hisy asa, na adidy, na andraikitra hanasaraka anao amin’ny tena zava-dehibe : fifandraisana lalina amin’ny Rainao any an-danitra mandritra ny andro, sy ny fiainana ao amin’ny fitiavany mahagaga.

Tsarovy : Izy no mahatonga izao rehetra izao hisy dikany.

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.