• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 19, 2025

⌚ Makà fotoana ho amin'izany

Andro namoahana Mey 19, 2025

Miahy ny amin'ny zavatra miandry anao ve ianao?

Raha izany dia te hampahatsiahy anao fahamarinana iray aho anio!

Misy zavatra iray izay azonao atao FOANA rehefa mavesatra loatra ny olanao. Zavatra azontsika soa aman-tsara atao FOANA, saingy tsy dia ampiasaintsika loatra izany, satria mihevitra isika fa tokony mahavita tena.

Izay no mahatonga ahy te hampianatra anao mba haka fotoana ho amin'izany… Fa inona ilay izy? Ilay arak'izay voalazan'ity Salamo ity hoe : “Raha hoy Ianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah o;” (Salamo 27:8)

Izany teny izany no manan-danja indrindra azoko atolotra anao anio.

Apetraho avokoa izay mavesatra rehetra aminao, eo anoloan'ilay Andriamanitrao izay Lehibe sy Tsitoha.

Efa fantany mialoha anio izay hitranga rahampitso - ary tsy mitady afa-tsy izay mahasoa anao Izy!

Ambarao amin'ny feo mahery - sy am-pinoana - izay voasoratra manaraka eo manao hoe : “Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona.” (Salamo 27:13)

Hitanao, izaho koa dia mbola mianatra manatona an'Andriamanitra amin'ny fanantenana lehibe! Ary dia talanjona ny Aminy foana aho! Izany no mahatonga ahy te hamporisika anao hanao toy izany koa!

Raha manatona Azy amin'ny fanantenana lehibe isika dia tsy hitsahatra ny ho talanjona ny Aminy mihitsy!

“Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah.” (Salamo 27:14)

Raha ny marina dia efa fantatrao ny valin-teniny amin'ny fahatokisanao : “mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany. Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.” (nalaina avy tao amin'ny Jeremia 29:11-12)

Ho famintinana dia ampahatsiahiviko anao ny hoe : makà fotoana ny amin'izany - dia hihaino anao Izy!

Nanome toky anao Izy hoe : “Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.” (Jeremia 29:13)

Hitan'Andriamanitra ianao anio, eto ary ankehitriny! Tiany ianao!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.