Mahita mihoatra noho ny miseho Andriamanitra…

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Mahita mihoatra noho ny miseho Andriamanitra…

Tamin’ny fiandohan’ny làlako niaraka tamin’Andriamanitra dia tsy mba noeritreretiko akory hoe ho betsaka tokoa ireo olona hamaky ny fampaherezana alefako isa-maraina ! Nahatsapa ny tenako ho toy ny adala tsy misy mpifehy aho, noho ny hoe Kristiana mpanaradia an’i Kristy…
Ny azo antoka dia tanora aho tamin’izany, taitaitra, feno avonavona, lavitr’ilay endrika hiheverako ny atao hoe “kristiana tonga lafatra”. Araka ny notantaraiko tao amin’ilay boky nosoratako voalohany “Fifandraisana novokarin’Andriamanitra” dia nikorontana ny fiainako na dia nandeha am-piangonana aza aho. Rehefa nijery ny fiainako angamba Jesosy dia hoy izy hoe: “Maro ny zavatra tokony atao amin’ity zazalahy ity !”
Tamin’izaho 18 taona, nahavoaray antso hanompo an’Andriamanitra aho, nandritry ny fivoriana iray. Saingy rehefa nivoaka ny fiangonana aho dia nifanena tamina lehilahy iray manan-danja amiko, efa ela izy no kristiana. Nolazaiko azy tamin’ny fientanam-po tanteraka hoe: “Nantsoin’Andriamanitra hanompo Azy aho ny hariva teo. Hanompo Azy aho! Ampiasa ny fiainako Izy mba hikasika olona maro !”
Izao no valinteny nataon’io lehilahy io tamiko : “Ianao ? Tsy tokony ho ianao mihitsy ka!” Tahaka ny rano mangatsiaka natobaka tamiko ny nandraisako izany. Mety efa nisy manodidina anao ve nampangatsiaka tampoka anao tahak’izany? Mety efa nisy nikasa hanafoana ny antso napetrak’Andriamanitra tao am-ponao ve?… Mety efa nisy niteny taminao hoe: “Ianao ? Tsy ianao kosa!” ?
Ny ankamaroan-tsika dia mahatsapa fa tsy mendrika ny hanompo Azy… Ary ny sasany dia manontany tena hoe sao hadisoana na kisendrasendra àry ny fisiany !
Te-hiteny anao aho izao hoe: tia anao amin’ny fitiavana tsy misy tambiny Andriamanitra, na inona na inona atao na tsy ataonao. Tia anao Izy. Ary fantaro ry namako fa mampiasa olon-tsotra Izy mba hanao zavatra tsy manam-paharoa ! Manao ahoana ianao androany ? Tsotra, tsy mahavita, tsy mahay ?
Isan’ireo zava-dehibe sady ivon’ny fanjakan’Andriamanitra ny voninahitra : manome lanja sy mankalaza ilay olona amin’ny fanehoana ny maha-izy azy, sy ny mety ho fiovàny, noho ny amin’Andriamanitra.
Mahatonga saina ahy izany hoe mino antsika kokoa Andriamanitra matetika noho ny finoantsika Azy !
Ka izao ry namako, mamelà ahy ilaza aminao hoe : olona miavaka ianao, tokana ary mahafinaritra !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!