Mahery… noho ny fahatokiany

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Mahery… noho ny fahatokiany

Ny tsy fivadihana dia toetra iray mihavery amin’izao vaninandro izao. Toa toetra “efa lany andro” aza no fahitana izany ankehitriny.
Soa ihany fa tsy mba tahaka ny olona sasany Andriamanitra, izay mora mivadika foana…

Nahatsapa sy niaina izany Fahatokiany izany i Davida Mpanjaka ary nanamafy izy hoe:

“Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny;
Fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.” (Salamo 37:25)

Tsy mora ny maneho ny tsy fivadihana satria tsy araky ny natioratsika izany toetra izany. Raha tsy misy ny fanampian’Andriamanitra, na eo aza ny ezaka rehetra ataontsika dia mino aho fa tsy ho vitantsika ny ho olona mahatoky foana na aiza na aiza, ary haharitra amin’izany rehefa mandeha ny fotoana.

Ary araka ny ambaran’ny ohabolana hoe:
“Maro ny olona samy midera ny soa ataon’ny tenany avy; fa izay olona mahatoky, iza no mahita azy? (Ohabolana 20:6)

Mifanohitra amin’izany, toetra masina ny fahatokiana. Fantatrao ve ny fomba hanehoan’ Andriamanitra ny tsy fivadihany aminao ry namako?

  • Amin’ny fankatoavany ny fampanantenany (Hebreo 10:23)
  • Amin’ny fitoerany ho eo anilanao, amin’ny andro rehetra hiainanao. (Matio 28:10)
  • Amin’ny fifikirany aminao. (Hebreo 13:5)
  • Amin’ny fametrahana fanekena mandrakizay eo aminao. (Isaia 61:8)
  • Amin’ny tsy fiovany na dia eo aza ny fivadihanao Aminy indraindray. (II Timoty 2:13)
  • Amin’ny famelàna ny helokao (I Jaona 1:9)

Angamba mety efa diso fanantenana tamin’ny olona akaiky anao ianao, na voafitaka sy nilaozan’ny olon-tianao, na natao tsinontsinona tamin’ny fahazazanao fa Andriamanitra dia te hampatsiahy anao androany fa tsy mivadika Izy na inona na inona miseho…!

Afaka miantehitra Aminy foana ianao ry namako, tsy hanadino anao mandrakizay Izy. Ny fitiavany anao dia tsy ho levona mandrakizay. Ny adidiny aminao dia ho mandrakizay, tsy hanary anao na oviana na oviana mihitsy izy fa matokia…!

Manasa anao aho hiara-hivavaka amiko:
“Andriamanitra Tsitoha ô, misaotra Anao aho noho ny amin’ny fitiavanao ahy tsy miova, eny na dia tsy manana zotom-po ho Anao aza aho. Misaotra Anao nitahiry ny hatsaram-panahinao tamiko sy nanaja ny fampanantenana nataonao tamiko. Mifona aminao aho noho ny fiovaovako indraindray ary mila ny fanampianao aho mba ho tonga tahaka Anao. Amin’ny anaran’i Jesosy, Amen!”

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!