• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 26, 2026

Mahatsiaro tena ho voafonja ve ianao izao?

Andro namoahana Feb 26, 2026

Mety ho nandray fanapahan-kevitra ve ianao - tamim-panantenana sy fahatokisana, saingy toa lasa hadisoana izany izao?

Mety hoe momba ny asanao izany, izay toa tonga lafatra taloha. Saingy ankehitriny, manontany tena ianao raha mbola tokony hanohy…

Mety ho ny fanambadianao mihitsy aza izany, fanapahan-kevitra ho amin’ny fiainanao! 👰‍♀️🤵‍♂️💍 Notahian’Andriamanitra ianareo roa teo amin’ny alitara, vonona ny hiaraka hiatrika ny fiainana… dia izao? Miray trano fotsiny ianareo, fa tsy mifampijery intsony…

Mety ho imbetsaka ianao no tsy nahomby, kanefa efa nanome toky fa tsy hamerina intsony… Imbetsaka ianao no nivavaka hoe : “Tompo oh, mamelà ny heloko, manome toky Anao aho fa ity no farany!” ❤️‍🩹

Na koa fanapahan-kevitra tsy azo hivalozana no noraisinao. Mety nisafidy ny tsy hitaiza ny zanakao ianao, ka izao lasa voagejan’ny fanamelohan-tena…

Na izany na tsy izany, fantaro fa tsy irery akory ianao. Paoly koa dia efa nigadra. Nandany taona maro tany am-ponja izy. Ary vao tsy ela, teo am-pamakiana ny Baiboly aho no nahita andininy iray tena nikasika ahy manokana :

Anatin’io fonja maizina sy mangatsiaka io, mety ho nihikiaka isika hoe : 💬 Nahoana no izaho? Tompo oh, nahoana no tsy manampy ahy Ianao? Nilaozanao ve aho?” … mifanohitra tanteraka tamin’izany no nataon’i Paoly! Vao mainka nampahery izy hoe :

“Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray. Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana, mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo; mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo, … izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra. …, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,” (Efesiana 3:14-20)

Ireto lohahevitra efatra ireto no tadidiantsika:

1️⃣ Midera an’Andriamanitra i Paoly - tao am-ponja! Tsy mitaraina, tsy manontany - midera fotsiny.

2️⃣ Mangataka hery avy amin’Andriamanitra izy. 

3️⃣ Ampahatsiahiviny ny fahalebiazan’Andriamanitra. 

4️⃣ Hamarininy fa : Mahay manao mihoatra lavitra noho izay hitanao izao Andriamanitra!

🙏 Manasa anao aho mba haka fotoana handinihana izay lohahevitra efatra izay mandritra ity tontolo andro ity, sy rahampitso raha mbola ilaina, ary amin’ny andro rehetra manaraka.

Satria : 🕊️ Rehefa mikatsaka ny Mpamonjinao ianao, dia mahita vahaolana ho amin’ny fifalianao Izy. 💛 tiana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.