Mahatsiaro sambatra ery ianao!
Efa renao ve ilay fomba fiteny hoe : « Ohatran’ny any am-paradisa ? » Fomba fiteny ampiasaintsika izy io rehefa tena mahatsiaro sambatra isika.
Indraindray anefa toa mifanohitra amin’ny zava-misy hiainantsika izany miaina fiainan-tsambatra izany. Eny tokoa, rehefa misy olana mahazo antsika na miaina anaty tebiteby isika dia tsy haintsika izay tokony hatao. Amin’ireny fotoana ireny dia mahatsiaro tsy misy fanantenana intsony mihitsy aza. Kanefa ry namako, aza hadinoina na oviana na oviana fa : Andriamanitry ny fanantenana ny Andriamanitsika ! Te hamerina ny fanantenana marina sy be voninahitra ao anatinao Izy.
Araky ny nambaran’ny Apostoly Paoly rehefa nanoratra izy fa i Kristy no ao anatintsika izay « fanantenana ny voninahitra » (Kolosiana 1 :27). Mahafinaritra ahy koa ity fandikan-teny avy amin’ny espaniola ity : « Ary ny zava- miafina dia mitoetra ao anatinao i Kristy. Izany dia manome antoka anao fa mpiombona amin’ny Voninahiny ianao ». Manana fanantenana mihoatra an’izao tontolo izao isika, anefa manomboka ety amin’izao tontolo izao ihany : ny fanantenana ny hiaina ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra. Ary tsy rehefa rahatrizay any an-danitra fa dieny izao ety ambonin’ny tany izao.
Amin’ny andro manaraka, dia hisaintsaina ny tena fanantenana marina omen’Andriamanitra antsika isika rehefa ao anatin’ny toe-javatra sarotra.
Afaka miaraka hivavaka amiko ve ianao ? “Tompo ô, misaotra Anao izahay fa manana fanantenana be voninahitra manodidina anay sy manampy anay handroso na dia ao anatin’ny sarotra aza. Mivavaka aho mba hamenoanao ahy bebe kokoa amin’ny fanantenanao isan’andro, mba hahitako an’izao tontolo izao amin’ny fijerinao. Amin’ny anaran’i Jesosy, amen.”
Ato am-poko ianao.
