😠Mahatsiaro ho nariana ve ianao?
Efa nisy fotoana ve nanontany tena mikasika an’Andriamanitra ianao? Afaka tsorinao ny fisalasalanao fa tsy maninona izany… Saingy, anio, azonao atao ny manavao ny eritreritrao. 😀
Rehefa nilaza tamin’i Zakarìa ny anjely fa ho lasa ray izy, na dia efa antitra aza, dia tsy nino izany izy. Nanontany tena momba an’Andriamanitra izy, momba ny fahafahan’Andriamanitra, izay tsy misy fetrany ary tsy araka ny maha-olombelona.
Aza mametra ny finoanao hatreo amin’izay vitan’ny olombelona, fa tsarovy hoe ny an’Andriamanitra dia mihoatra ny an’ny olombelona!
Ary satria Zakarìa nisalasala, dia nataon’Andriamanitra moana izy! (Jereo Lioka 1.20)Io anjely io ihany no niseho tamin’i Maria, nilaza taminy fa hitondra an’i Jesosy ao am-bohoka izy. Ny fihetsik’i Maria dia tena hafa tanteraka. Eny, nino izy ka hoy izy: “Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao!” (Lioka 1.38)
Ny tena mahaliana dia ilay voalaza ao aoriana hoe: “Dia nandao azy ilay anjely.” (Lioka 1.38) Tsy nisy savorovoro. Tsy nisy hoe lasa moana. Fa lasa ilay anjely! Ary indro izy niatrika irery izany vaovao izany! Tsy mbola azon’i Maria tsara akory fa tena marina ilay tenin’ny anjely.Nino fotsiny izy… ary nino hatrany, na dia teo aza ny fahanginana, nony farany dia niaina zava-mahagaga tsy hay noeritreretina: Jesosy!Mahatsiaro ho irery ve ianao? Mety nisy zavatra napetrak’Andriamanitra tao am-ponao taloha, saingy ankehitriny, tsy mahatsapa na inona na inona intsony ianao, ary manomboka misalasala ny momba an’ Andriamanitra, satria toa tsapanao fa tapi-dalan-kaleha ianao?
Avelao aho hampatsiahy anao izao:
– Manan-kery lehibe ny finoanao– Tsy irery ianao
Ny fiainan’i Abrahama sy ny finoany no manaporofo izany mazava tsara:
“Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino…” (Romana 4.18)
“ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra.” (Romana 4.20)
Safidio anio izay lalana tianao harahina hampitomboana ny finoanao amin’ny hoavy: ho toa an’i Zakarìa izay feno fisalasalana ve? Sa ho toa an’i Maria, izay nanaiky tanteraka tamin’ny fitokisana? Sa ho toa an’i Abrahama, izay matanjaka tamin’ny finoany?
Ianao dia fahagagana !
