🥲 Mahatsiaro ho meloka ve ianao?
Vao avy nankalaza ny Paska isika. Na izany aza dia te hanontany anao aho hoe : azonao marina ve ny dikan’izany fety izany? Satria ny Paska dia mihoatra lavitra noho izay mety takatrao hatramin’izao. Ny Paska dia antony izay hahafahanao - ary tena izany mihitsy - miaina tanteraka! Ary izany no antony hanararaotako ity andro ity hanomezana anao fahafahana hiaina ny tena “Paska” marina anio, na dia efa aty aoriana aza ! Mbola tsy tara izao ho amin’ny fahagagana !
“Tsy misy dikany amiko ny Paska”.
Mahatsiaro alavitra loatra an’Andriamanitra angamba ianao ankehitriny ka tsy azonao marina ny dikan’ny Paska. Izany no mahatonga anao milaza hoe : “tsy misy dikany amiko ny Paska”.
Azoko tsara ny hevitrao. Na dia efa kristianina efa an-taonany maro aza aho, dia tsy mahatsapa loatra hoe afapo. Ny olon-drehetra manodidina ahy dia manao vavaka mahatalanjona sy miresaka ny fahagagany, izaho anefa mahatsapa fa tena pôkaty ny ato anatiko.
Farany dia niezaka nameno izany fahabangana izany aho tamin’ny fananana fiainana roa. Fa raha fahafenoina no nandrasana, dia vao maika aho tafalatsaka anaty lavaka lalina, niampy fahatsapana ho meloka teo anatrehan’Andriamanitra.
Dia nanapa-kevitra aho ny hanapaka sy hiala tanteraka amin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka : “Ka efa tsy mihaino ahy intsony angamba Ianao, fa diso fanantenana amiko loatra. Fa raha ohatra ka mbola mety tia ahy ihany Ianao, dia omeko fahafahana farany, ka miangavy aho, mitenena amiko izao.”
Nidaboka teo am-pandrinako aho sady nitomany satria tsy naheno an’Andriamanitra intsony miresaka amiko.
Na izany aza anefa dia nanonofy aho ny alin’io ! Nahita an’i Jesosy nifatotra teo amin’ny hazo fijaliana aho, ary nisy tanana lehibe, izay fantatro hoe an’Andriamanitra, nanondro an’i Jesosy ! Dia avy eo nisy feo mafy nefa sady feno fitiavana nilaza hoe : “Ho anao ihany koa no antony nanaovako an’izao.”
Fantatro hoe misalasala ihany koa ianao, ary te hampatsiahy anao ny ao amin’ny Jaona 3.16-18 aho : “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy helohina”
Manantena aho fa hisy dikany vaovao ho anao ny Paska, ary ho tsapanao ny vidiny naloan’i Jesosy mba hanehoany ny Fitiavany anao. Ho hitanao amin’izay ny fiainana izay efa nirinao hatry ny ela !
Eny, ho anao ny antony nandehanany teny amin’ny Hazo Fijaliana !
Fahagagana ianao !