Mahafinaritra izany! đ€
Efa tara aho.. Ary mbola tsy maintsy mankany aminâny mpitsabo nify aho. Tsy toerana iriana handaniana ny tolakandro mahafinaritra mihitsy izany. đđ©đ€
Rehefa tonga teo aminâny toerana fiantsonanâny fiara izay tena feno aho, dia nieritreritra hoe : âRaha miandry toerana eto aho dia ho tara aminâny fotoanako.â Fa taminâizay indrindra no nisy ramatoa izay niala. Nampidininy ny fitaratra ary nomeny tapakila efa voaloa aho, sady nitsiky izy. đ«đ
Fihetsika tsotra - sy tsiky - izay nahakasika ny foko !
âWaouu, tena tsy nampoiziko iny !â
Faly kokoa noho ny roa minitra izay lasa aho, ary nandeha hiditra ny varavarana.. Ary teo, dia nahita mpangataka aho. Izay tsy norarahiako foana raha ny marina. Fa taminâity indray mandeha ity dia nijery azy aminâny fomba hafa aho, aminâny maso feno hatsaram-panahy izay vao niainako teo. Nametraka vola tao aminâny kaopiny aho. Namiratra ny masony ary nilaza izy hoe : âHotahianâAndriamanitra ianao.â
Tsy efa nitsara foana ve aho ? Mametraka fanontaniana toy ny hoe : âTena mila izany ve izy ?â Azonao ve ny tiako ambara ?
Misy fitahiana foana ao ambadiky ny fanomezana ! Izay hanaovanâilay olona izany, tsy andraikitrao intsony. Ny andraikitsika dia ny mitia.
Rehefa nivoaka avy tao aminâny dokotera aho dia nahita ilay lehilahy antitra - izay raha tsorina - maloto be, tsy nahakarakara tena, teo amboninâny sezany misy kodiarana. Sahirana mafy izy teo aminâny fiakarana, ary tsy nahavita nandroso intsony. Betsaka ny olona manodidina teo⊠fa tsy nisy nihetsika ireo. Mety ho hafa ve ny fihetsika teo raha niakanjo tsara ilay lehilahy ? đ€
Satria nisy nanisy soa aho io andro io, dia te hanao toy izany koa aho. Tena faly mihitsy ary aho afaka nanampy azy.
Ah, mora adinontsika rehefa tafiditra ao anatinâny fisainantsika rehetra isika, fa mahafinaritra ny manao soa.
Ianao koa ve te hanasoa olona anio ?
âNy soa ihany no irin'ny marina;â (Ohabolana 11.23) Tena voalaza ao anaty Baiboly izany ! đđ
Fahagagana ianao !