Loharanon’ny zavatra rehetra Andriamanitra
Fantatra tokoa fa rehefa manjombona ny lanitra, dia mety hitondra fahajombonana ihany koa izany eo aminao. Mahatsiaro reraka, kivy ianao, tsy te-hanao na inona na inona …
Izany, dia toe-javatra iainantsika tsirairay avy. Fa ho antsika zanak’Andriamanitra, afaka miova ny zava-misy ! Fantatsika fa ny taratry ny fahamarinana dia mamiratra foana eo ambonin’ny rahon’ny fiainana.
Ao amin’Andriamanitra, dia afaka mitrandraka fifaliana izay tsy miankina amin’ny haizina manjombona, sy fifaliana izay tsy vokatry ny toe-javatra misy isika.
Ry namako, amin’ny alàlan’ny fankanesana isan’andro eo amin’i Jesosy, dia mitrandraka ny loharanom-pitaovana rehetra ianao : Izy ilay fitiavana tena ilainao, Izy no fifaliana izay mampandroso anao, Izy no hery hitondra anao mandritra ny tontolo andro !
Noho izany rehefa mahatsiaro ho tsy manana ny ampy ianao dia fotoana izany hankanesanao any amin’ilay Loharano, hitrandrahanao izay rehetra ilainao, mandra-pahafeno tanteraka anao, hitobaka, ho mavitrika.
Eny, hain’Andriamanitra izany ! Afaka ny ho faly sy mafana fo mihitsy aza isika, na dia malahelo sy kivy aza ny manodidina antsika. Afaka ny manana fahavitrihana ianao na dia misy rahona manjombona aza ny fiainanao.
Mahereza fa ny Tompo momba anao !