• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Aog 10, 2025

👍Loharanon’ny zava-drehetra

Andro namoahana Aog 10, 2025

Mitohy hatrany amin’ny lohahevitra isika dia ny fankatoavana. Anio dia hijery ny tantaran’i Abrahama indray isika. 

Anisan’ny zavatra nangatahin’Abrahama fatratra tamin’Andriamanitra ny hanan-janaka. Nandeha teny nefa ny fotoana fa tsy nivaly mihitsy ny fangatahiny aloha ary raha ny maso maha-olombelona dia toa tsy hahazo mihitsy satria Saraha vadiny dia efa niha-antitra ka efa nitsaha-jaza. Ao amin’ny Genesisy 15 anefa dia nohamafisin’Andriamanitra fa hiteraka izy ireo tamin’ny teny fampanantenana nomeny. Ka dia teraka soa aman-tsara moa Isaka (Genesisy 21:1-7)

Ao amin’ny Genesisy 22 anefa dia nanao fangatahana tena nanaitra Andriamanitra satria hoy Izy hoe : “ Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin'ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.” (Gen 22:2) Kayyyyy
. zaza nandrasana aman-taonany, efa niaretana ela nefa dia ilaina aterina ho fanatitra dorana
. Dia ahoana? Nihomehy aho, nisy fotoana ny Pasitera iray nitondra io hafatra io niteny hoe, mety ho maro no niteny hoe miala ny feo hafahafa rehetra, sy nanao delivrance 😅

Fa tsara loatra ny tohin’io andininy io, manao hoe : “Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy” (Gen 22:3). Nankató tsy ampihambahambana Abrahama satria fantany fa ilay nanome dia afaka mbola manao izay indray. Satria fantany fa Izy no loharanon’ny zava-drehetra.

Afaka mahatoky tsy ampihambahambana an’Andriamanitra ve ianao ka na inona na inona mety angatahiny na andrasany aminao dia ho arahinao izany? Toa an’Abrahama, ilay antsoina hoe rain’ny mino, dia misafidiana hankató fa ny Tompo efa nanomana zavatra goavana ho anao.

Fahagagana ianao

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.